Edito

Tonga saina


  • Talata 01 Martsa 2011


Nikoropaka i Roland Ratsiraka rehefa nilatsaka ny NOTAM mandrara ny fiverenan’ny amiraly Didier Ratsiraka, dadatoany sy ny fianakaviany, an-tanindrazana. Ny zoma 25 febroary 2011, tsiahivina ihany no nivoaka tampoka ity taratasy miendrika toromarika fanome ny mpanamory ity, mba tsy hitondra ity filoham-pirenena Malagasy tamin’ny Repoblika faha-2 ary sesitany tany Frantsa nandritra ny valo taona ity, hiverina eto. Tsy izao no nifanarahana tamin’ny 2009 raha niangavy azy i Andry Rajoelina, mba hamondrona ny hery ka haneho ny tsy fankasitrahana ny fanosihosena ny demokrasia sy ny zon’olombelona, hoy ny filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Tonga Saina, naneho ny alahelony ary lasa nivadi-dela ankehitriny fa tsy izany ny lalana tokony handehanana sy tokony hiarahana.

Niaiky koa moa ingahy Roland Ratsiraka ankehitriny fa na izy ao anatin’izao fitondrana izao aza tsy mahafantatra intsony ny lalana haleha. Tokony hazava ny lalana, hoy izy. Farito ny tetiandron’ny fifidianana ary mialà ao anatin’io tetezamita io izay rehetra te hirotsaka amin’ny fifidianana. Somary nanaitra ihany moa hoe, tsy vao sambany anie no nisy toe-javatra toy izao nataon’ity fitondrana FAT ity, saingy tsy niraika ny filohan’ny MTS fa rehefa niantraika tany amin’ny dadatoany ve izany ilay fanaparam-pahefana vao tonga saina izy ?

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT