Edito

Tonga saina


  • Alarobia 19 Aogositra 2015

Manomboka indray ny paikady politika. Niova tampoka ny fomba firesaky ny Mapar, toa lasa malefaka fa tsy ilay mitratrevatreva tahaka ny fanaony hatrizay intsony.

 


 Pi-maso amin’ny mpitondra mba hiditra anaty governemanta no ataon’ity vondrona politika tarihan’i andry Rajoelina ity. Tsy niady varotra momba ny voka-pifidianana intsony ry zareo. Manao kajy ny amin’ny fifidianana manaraka ho avy eo tahaka ny ankamaroan’ny vondrona politika ny Mapar. Mety nahatsapa tena ihany koa fa tsy misy mpihaino sy tsy misy mpanaraka intsony ka aleo milamindamina aloha fa tsy mitabataba isaky ny mihetsika mandrangaranga revôlisiônina foana. Ny olona rahateo tsy hidina an-dalambe izany noho ny fahasahiranana efa mikiky azy isan’andro. Samy somebiseby amin’ny fampidirana mpianatra raheto ireo ray aman-dreny ankehitriny ka tsy dia manaraka politika firy. Ny saina no mila miasa noho izany fa tsy ny sandry tahaka ny nahazatra ny sasany. Fifampiresahana sy fifampidinihana ihany no tsy maintsy hiafarana. Efa mba nandray lesona tamin’ny 2009 ny rehetra…Ny tsy fantatra fotsiny dia sao ho variana amin’ny adivarotra sy ady seza indray ny mpanao politika raha toa ka ho avy tokoa ny fanovana ny governemanta.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT