Edito

Tonga ny ora !


  • Alakamisy 17 Febroary 2011


Tsy honohono tahaka ny nisy hatrizay intsony fa marina sy mitombina ny filazana fa ho avy eto Madagasikara ka higadona eny Ivato ny sabotsy 19 febroary ho avy izao ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana rehefa avy nanao sesitany ny tenany nandritra ny roa taona tany Swaziland sy Afrika Atsimo. Efa noeritreretina sy nodinihana tsara io fanapahan-kevitra io, araka ny vaovao voaray, ary lojikan’ny raharaham-pirenena ihany, satria efa tena kely sisa dia ho vita ny sori-dalana hivoahana amin’izao krizy izao. Tsy maintsy misy anefa aloha ny fifampiresahana amin’ireo samy filohan’ankolafy, izany hoe ireo filoha teo aloha telo mirahalahy, miampy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina izay vao tena faranana tanteraka ny fandrafetana ilay sori-dalana. Efa manaiky an’io ny sehatra iraisam-pirenena.

Azo antoka anefa fa tahaka ireo drafitra rehetra nisy teo aloha dia tsy maintsy hisy ny fanitsiana hatao mialoha ny sonian’ireo filohan’ny ankolafy 4. Efa hatry ny ela no nanambarana teto fa tsy maintsy misy an’ireo sonia efatra ireo ny fifanarahana hananganana ny tetezamita iaraha-mitantana eto vao hanan-kery eo imason’izao tontolo izao sy azo ampiharina. Izay aloha no zava-misy sy tsy maintsy atrehina dia izay izany no izy, na iza tsy faly na iza tezitra. Ny tsy fisian’ny fifanarahana neken’ireo lehiben’ankolafy ireo, raha ny tena marina no nampihodinkodina ny raharaha politika teto, fa rehefa mifanaraka ireo dia milamina ho azy ny mpanara-dia azy tsirairay avy. Ainga vao ho an’ny ankolafy Ravalomanana manokana ity fiverenan’i Dada an-tanindrazana ity. Rehefa nojerena tokoa mantsy ireo ambara fa mpanao politika manana ny maha izy azy sy mitarika antoko lehibe, dia tsy misy mihitsy, araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy ihany ny tena mahazaka mitantana firenena sy hahatohitra an’i Andry Rajoelina, izay efa nanao propagandy hatry ny ela. I Marc Ravalomanana irery no afaka hifampitana amin’ny filohan’ny tetezamita rehefa tonga ny fifidianana.

Manara-drenirano sy misabaka avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo mpanao politika, fa tsy misy sahy tena mijoro ny hifanandrina amin’i Andry Rajoelina. Manampy izany rehetra izany dia efa nalaza ratsy tamin’ny fanaparam-pahefana sy ny fanangonan-karena ary ny fandripahana ny «bois de rose» ny anakamaroan’ireo mpanao politika ao anatin’ny FAT ka tsy ho lasa lavitra raha hiatrika ny safidim-bahoaka. Tombony ho an’i Marc Ravalomanana ihany koa ny tsy naha teto azy sy ny nanenjehana azy nandritra ny telo taona. Vao mainka mampitombo ny mpanohana azy izany teritery sy fanenjehana rehetra izany. Efa manana traikefa matanjaka amin’ny fitantanana firenena sy ny fifandraisana iraisam-pirenena ary ny fifampiraharahana amin’ny endriny rehetra ity filoha teo aloha ity, ka azo antoka fa hafana ny fifampidinihana manaraka eo amin’ireo ankolafy politika ary maro ihany no ho diso paikady satria mety tsy nanam-po ity fiverenan’i Dada tampoka ity.

Tsy ho vitsy koa anefa ireo mpanao politika mety hazoto ny hiara-kiasa avy hatrany amin’i Marc Ravalomanana satria efa leon’ny tsy fahamatoran’ny FAT. Etsy ankilan’izay dia tsy afaka ny hisambotra sy hanagadra ity filoha teo aloha ity ny FAT noho izy ho avy eto mba handray anjara amin’ny fifampidinihana ho famahana ny krizy, eo ambany fiahian’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fitondrana tetezamita rahateo efa somary marefo fijoro ihany noho ireo korontana sy savorovoro nitranga tao anatiny, ary anisan’ny lehibe tamin’ireny ny raharaha FIGN sy BANI izay tena nanova tanteraka ny tontolo politika ary nampihena ny herin’ny ankolafy Rajoelina. Fomba fiteny nahafantaran’ny maro an’i Marc Ravalomanana ilay hoe : «tena kapoakako sy haiko tsara izany resaka négociations izany». Iza avy aty amin’ny fitondrana tetezamita no hifampikatro-doha aminy ? Ho sahy amin’izany fifanatrehana izany ve Atoa Andry Nirina Rajoelina ?

 
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT