Mitana ny sain'ny maro amin'ity anio ity ny fahatongavan'ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka, izay sivy taona mahery nanao sesitany ny tenany tany Paris taorian'ny nandresen'i Marc Ravalomanana azy tamin'ny fifidianana tamin'ny 2001.
Efa niomana fatratra amin'ny fitsenana sy fandraisana azy ireo mpomba azy ary harahina fety izany any amin'ny faritra sasany, indrindra fa ao Toamasina, Faritany niaviany. Miandry izay vahaolana haroson'ny amiraly amin'ny famahana ny krizy ihany koa ny rehetra satria efa nampanantena izy fa hilaza amin'ny antsipirihany ny heviny momba ny raharaham-pirenena rehefa tonga eto ary handroso vahaolana roa na telo. Ho hita eo ihany koa raha mbola mitazona ny teniny ny amin'ny tsy maintsy hanatanterahana eto Antananarivo ilay fihaonan'ny filohan'ny ankolafy efatra Atoa Didier Ratsiraka, ny vola 1 tapitrisa dolara natokana ho amin'izany rahateo nambara fa efa vonona. Mipetraka koa eto ny fanontaniana hoe : hanao ahoana ary ny fifandraisan'ny filohan'ny FAT sy ny amiraly ? Hisy ve ny fihaonana manokana amin'izy ireo ? Azo eritreretina ve ny ahitan'ny ankolafin'izy ireo marimaritra iraisana ka hidiran'ny ankolafy Ratsiraka ao anaty governemanta amin'izay ? Tsy azo adinoina mantsy fa nanampy an'i Andry Rajoelina i Didier Ratsiraka tamin'ny 2008 sy 2009, saingy taorian'ny fanasoniavana ny satan'i Maputo vao tsy nitovy hevitra intsony ny roa tonta.
Manamboninahitra miaramila ingahy Ratsiraka ary saropady aminy ny lanjan'ny teny nomena sy ny sonia natao, araka ny nambarany. Tsy dia mitovy loatra amin'ny ankamaroan'ny mpanao politika malagasy izy ka hoe voavidim-bola na tapenam-bava amin'ny foto-kevitra ijoroany. Mpanao politika koa anefa izy ary maharaka tsara ny zava-misy no efa manomana ny olony handray ny fitondrana atsy ho atsy, ka mety hisy ihany ny fifampiresahana tsy maintsy ataony amin'ny mpitondra sy ireo mpanao politika sasantsasany. Tsy maintsy hisy ny zavatra hiova amin'izao fahatongavan'ny amiraly izao, ary hisy ny zava-baovao. Tombontsoa ho an'iza ny fiovana ? Ho an'ny firenena ve, ho an'ny mpanohitra ve, ho an'ny fitondrana tetezamita ve sa ho an'ny Arema ? Tsy misy mahalala ny valiny amin'izany fa dia ho hita eo izay hambaran'i Deba amin'ity anio ity sy ny mety ho fihetsiky ny fitondrana tetezamita. Ho mpanelanelana ve sa ho mpandray anjara mivantana amin'ny famahana ny krizy i Didier Ratsiraka ? Hanampy ny governemantan'i Omer Beriziky ve izy sa hanohana ny hetsiky ny mpanohitra tsy manaiky ny fomba nananganana io governemanta io ? Tonga ny lera hahafantarana ny tena hevitry ny Deba.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.