Edito

Tonga ny henjana !


  • Talata 14 Oktobra 2014

Re hatry ny misasak’alina fa mandeha ny fifampiraharahana eo amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ny fitondram-panjakana. Fantatra ihany koa fa nisy ny solontenan’ny sehatra iraisam-pirenena niresaka tamin’ny filoha Rajaonarimampianina omaly tolakandro.

Tsy latsak’izany ny antso an-telefaonina maro samihafa avy any ivelany. Tsy olonolom-poana i Marc Ravalomanana ka sanatria sambotsamborina araka izay itiavana azy. Tsy adala izy nahasahy niditra teto fa efa manana ny paikadiny, ary tsy mampino ny hoe tsy nahafantatra na inona na inona momba io fahatongavany io ny fitondRam-panjakana. Fa mba mampiseho amin’ny rehetra fotsiny ny tandapa fa mahafehy ny zava-misy ka nanao ireny fihetsika adaladala ireny. Asa indray aloha izay fanatsatsoana hataon’ny sasany, fa raha ny zava-misy ankehitriny dia tena voaporofo fa mbola henjana i Marc Ravalomanana ary tena manan-kambara maro amin’ny fanavotana ny firenena ary tena nofinofy ny hoe hitsara dia hanagadra azy, araka ny fanirian’ny sasany. Resaky ny olona omaly ny hoe efa manisa andro ny fitondrana misy ankehitriny fa tsy misy miandry 2018 izany eto. Na ny eto an-toerana mantsy na ny any ivelany dia samy mahatsapa fa tsy misy azo antenaina amin’ny fitondrana Rajaonarimampianina momba ny famahana ny krizy sy fampandrosoana ny firenena. Tena hita ho nipararetra ny fitondrana HVM, raha nahafantatra fa tonga ingahy Ravalomanana, tahaka ny sosoa voatapo-drano ireo tandapa sasany, toa hoe nisy mihitsy ny efa saka hitsoaka. Miova tanteraka ny zava-misy eto nanomboka omaly, tonga ny henjana ka ho avy amin’izay ny tena zavatra e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT