Edito

Tonga ny fotoana


  • Talata 23 Oktobra 2018

Tonga ny fotoana na hoe “Time is now.”, hoy ry zareo anglisy. Kandida ho filoham-pirenena maromaro no nanamafy izay. Fotoana hanaovana inona anefa ?

 

 

 Anjaran’ny rehetra no mieritreritra ny valiny. Ny mandravona azy dia fotoana tokony hanovana ny tantaram-pirenena ho amin’ny tsaratsara kokoa izao. Samy manana ny fanentanany ireo mpandray anjara te hahazo an’Iavoloha saingy an’ny vahoaka ny fanapahan-kevitra. Eto izany no tonga amin’ilay filazan’ny mpandinika izay hoe mila vahoaka mahatsapa na “sensible” fa tsy vahoaka nosasana atidoha nentanina sy noterena hahatsapa na “sensibilisé”. Fandaharan’iza amin’ireo kandida ireo no miteha-tany sy mifandraika amin’ny zava-misy iainan’ny mponina eto Madagasikara ary azo antoka fa ho tratra anatin’ny 5 taona ? Ny an’ilay nilaza fa tonga ny fotoana hanaovana an’i Madagasikara ho toa an’i Etazonia na Dobay na izao firenena faran’izay matanjaka rehetra izao ve sa ny an’izay niteny kosa hoe tonga ny fotoana hahafahana manangana an’i Madagasikara ? Inona no tokony ho laharam-pahamehana ao anatin’izao fiainam-bahoaka miha mivarina an-kady izao ? Ny fijerena izay hahafahantsika misitraka fitsaboana sahaza sy mirary ve sa ny fanitarana toeram-piantsoanam-piara any amin’ireo sekolim-bahoaka ? Ataon’ireo mpianatra sy ny ray aman-dreniny inona daholo moa izany raha toa ka amin’izao fotoana izao aza efa tsy in-telo isan’andro intsony izy no homan-kanina fa efa latsak’izany ? Am-bava homana ary atsipy ny teny any am-pon’ny mahalala.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT