Edito

Tonga ny antso !


  • Alakamisy 16 Febroary 2012

Araka ny fanambaran’i Mamy Rakotoarivelo omaly, dia manaiky ny handray anjara amin’ny fanelanelanana ireo ankolafy politika isan-karazany ho amin’ny fikaroham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy ireo mpikambana ao amin’ny FFKM.

 Araka ny fantatra dia nihaona ny alatsinainy lasa teo ny mpitarika avy ao amin’ny FFKM sy ny praiminisitra ary ny filohan’ny CT sy ny CST. Manodidina ny raharaham-pirenena sy ny fikaroham-bahaolana hivaona amin’ny krizy no votoatin-dresaka tamin’izany. Hatramin’izay moa dia nandà hatrany ny hanelanelanana ny FFKM. Tamin’ny fiandohan’ny taona 2009 no hita farany nanelanelana ireo Filoham-piangonana efatra mirahalahy, saingy rehefa nitranga kosa ny savoritaka teny amin’ny Episcopat Antanimena ny 17 martsa 2009 dia tsy hita tabilao intsony izy ireo.

Rehefa nanontaniana moa ny pastera Lala Rasendrahasina, dia nilaza tsy ny mpanao politika na ny olombelona no mibaiko sy miantso ny FFKM, fa Andriamanitra irery ihany. Koa raha mitombina ny fanambaran’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita ny amin’ny hidiran’ny FFKM an-tsehatra amin’izay eo amin’ny fanelanelanana, dia azo adika avy hatrany izany, araka ny fandinihan’ny maro azy, fa dia efa nahare sy naharay ny antson’Andriamanitra izany izy ireo. Maro tokoa ny fiantsoana ireo raiamandreny am-panahy ao amin’ny FFKM mba hanelanelana, tato anatin’ny roa taona izay nampitarazoka ny famahana ny krizy, na dia teo aza ny karazana fihaonana sy fifanarahana politika tetsy sy teroa, saingy nangina sy tsy niseho sehatra mihitsy aloha izy ireo.

Azo eritreretina ihany koa fa mety mbola mandamina ny raharaha anatiny amin’izy samy izy ny FFKM, izay vao hiditra any amin’izany resaka fanelanelanana izany. Somary mbola mampiady hevitra ny mpanao politika sasany ihany koa moa ilay hoe : nahoana no ny FFKM no tsy maintsy hanelanelana, satria misy Malagasy tsy Kristianina fa hafa finoana ? Mbola resaka hafa ny amin’iny fa ny azo antoka aloha dia hanova ny karatra ny fidiran’ny FFKM an-tsehatra amin’ny fanelanelanana, ary ao anatin’ny fifampidinihan’ny samy Malagasy moa izany rehetra izany, satria kosa sarotra ny inoana fa handray baiko avy any amin’ny SADC ireo filoham-piangonana, izay vao hamory ny mpanao politika. Ny tsy azo adinoina kosa anefa dia nitana toerana goavana teo amin’ny raharaham-pirenena tato anatin’ny 25 taona izany Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara izany, ary tena manana ny lanjany manokana satria araka ny tombatombana dia manodidina ny 13 tapitrisa eo ho eo ny Malagasy Kristianina eo anivon’ny FFKM .Tonga izany ny antso fa dia ho hita eo ny mety ho tohiny !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT