Henjana ny fanapahana koa dia ho avy eto Madagasikara indray, manomboka amin'ity anio ity ny iraky ny SADC tarihan'ny Dr Leonardo Simao, izay ahitana Mozambikanina maromaro.
Midika izany fa tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra hentitra momba ny famahana ny krizy Malagasy tamin'ny fivoriana tany Tanzania ny sabotsy sy alahady lasa teo. Somary mahagaga ihany ity firafitry ny delegasiona ity satria ingahy Simao, izay efa tsy nahavita azy, indray no averina eto Madagasikara. Tena hita nivandravandra mantsy ny fitanilan'ity diplaomaty mozambikanina ity amin'i Andry Rajoelina sy ny fanakianany mivantana an'i Marc Ravalomanana. Maro be ihany koa ny resaka mandeha momba azy nandritra ny fotoana nijanonany teto Madagasikara, ka asa aloha raha hoe, nilatsahan'ny fanahy masina ingahy Simao ka efa tena niova na ahoana. Mampatahotra ny zavatra tahaka izao satria mahatonga ny vinavina hoe sao dia fanakorontanana aza no tadiavina atao eto, fa tsy fandaminana e ? Fa dia tsy nisy olon-kafa mihitsy ve tao amin'ny SADC no dia i Dr Simao indray no averina eto ?
Efa fantatra ny fomba fiasa hatramin'izay fa dia hihaona amin'ireo nanasonia ny tondrozotra indray ny delegasion'ny SADC, ary avy eo dia hanao fanambarana misabaka sy manjavozavo, dia ho fanina eto indray ny iray tanàna. Voalaza fa ny momba ny fifidianana no tena anton-dian'ireto iraky ny SADC ireto, ka asa izany hoe tena nodiana fanina tanteraka ny fampiharana manontolo ny tondrozotra sy ny amin'ny fodian'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Mazava ho azy fa ho tezitra mafy ny mpomba ity farany raha mody fanina eo indray, na manao teny hafahafa momba ny fiverenan'i Dada, ingahy Simao. Io resaka io no niandrasana fanapahan-kevitra tamin'ny SADC, saingy toa nanjavona tsimoramora ilay izy.
Ahiana mihitsy arak'izany ny hisian'ny savorovoro eo amin'ny tontolo politika indray, mandritra izao fahatongavan'ny Dr Leonardo Simao izao, raha mbola ilay fomba fiasa mandroso-mihemotra ihany no ataon'ny SADC eto. Ahoana ary no mety ho tohin'ny raharaha : hisintaka indray ve ny ankolafy Ravalomanana raha tsy mahazo fahafaham-po ? Hiroso amin'ny fikarakarana ny fifidianana ao anatin'ny fifandirana politika ihany ve ny CENIT ? Efa hiditra an-tsehatra amin'izay ve ny FFKM sa mbola miandry ihany ? Ny fananganana ilay Filankevitry ny fampihavanana Malagasy, ao anatin'izany rehetra izany dia mbola krizy ao anaty krizy. Mitarazoka ny famahana ny krizy eto Madagasikara, ary tena mahantra ny vahoaka, potika ny firenena, mivaha tanteraka ny soatoavina eny anivon'ny fiarahamonina eny. Miandry masoandro hiposaka, tsy mety hita Ramalagasy, ary efa manomboka reraky ny manantena, sady valaky ny fiandrasana. Herintaona aty aorian'ny nanasoniavana ny tondrozotra, dia mbola tsy hita mazava ihany izay lalana haleha, satria toa manakorontana fa tsy mandamina ny mpanelanelana e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.