Efa samy tsindrian-daona be ihany nanomboka tamin’ny alarobia lasa teo ireo etamazaoro politika tsirairay avy niandry izay ho fanapahan-kevitry ny filohan’ny FAT ka hanendreny izay ho praiminisitry ny marimaritra iraisana.
Nisinisy ihany ireo karazana fihaonana teo amin’Atoa Rajoelina sy ireo kandida. Nihaona tamin’ny solontenan’ny foloalindahy ihany koa ny filohan’ny FAT ary mbola niresaka maharitra tamin’ny masoivohon’i Afrika Atsimo eto amintsika izay misolotena vonjimaika ilay biraom-pifandraisan’ny SADC. Tany ivelany koa dia nisy ny fihaonan’Atoa Marius Fransman tamin’ny minisitry fiaraha-miasa Frantsay sy ny filoha teo aloha Atoa Didier Ratsiraka. Voalaza fa ho avy eto Antananarivo anio ity minisitra lefitra Afrikanina tatsimo ity hitarika ny delegasionin’ny Troika izay nahazo fanasana manokana avy amin’ny FAT mba hanatrika ny lanonana hanambarana amin’ny fomba ofisialy ny anaran’ny praiminisitra anio hariva, raha tsy miova indray ny fandaharam-potoana.
Miteraka resa-be moa ity fanendrena PM ity satria maro ireo mpanao politika mahita fa efa tsy rariny intsony ny fijabahan’ny SADC amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy fa dia izy ireo no nandrafitra ny sori-dalana, izy ireo no nanazava izany araka ny fahitany azy, mbola ity fikambanana ity ihany koa no nanara-maso ny fanaterana ny anaran’ireo kandida praiminisira natao teny amin’ny Le Paon d’Or fa tsy tany amin’ny lapam-. Rehefa nieritreritra ny hamoaka ny anaran’ny praiminisitra ny alarobia lasa teo ny tao Ambohitsorohitra dia tsy maintsy nahemotra indray izany satria mbola nisy ny zavatra tsy maintsy nalamin’ny SADC, ary raha raikitra ihany ilay fotoana anio dia hanatrika eo Atoa Marius Fransman sy ireo mpiara-miasa aminy avy ao amin’ny Troika.
Rehefa tena nodinihana ny fizotry ny tranga rehetra dia mikaon-doha ary manolotra izay olona eritreretiny fa mety amin’ilay toerana ireo vondrona politika, ny filohan’ny FAT no manendry azy io araka ny voalazan’ny sori-dalana, saingy manana ny safidiny sy ny ambarany kosa ny SADC. Izay no azo amintinana ny zava-misy eto Madagasikara, ary io ilay efa nambara hatramin’ny nidiran’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fanelanelanana fa vita hatreo izany hoe ny Malagasy izany no manapa-kevitra. Ny mahagaga anefa dia mbola misy amin’ireo mpitondra sy mpanao politika ihany no mbola mamahan-dalitra ny vahoaka. Fa nahoana raha tonga dia tsorina ilay resaka e ? Iaraha-mahalala anie fa ireo firenen-dehibe ireo no mitondra ny baolina maneran-tany e ! Tsy amin’izao vanim-potoana mahavokatra ny krizy izao no mbola hisiana revolisionina indray ka hanoheran’ny tany an-dalam-pandrosoana ny firenena matanjaka ao anatin’ny G8.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.