Edito

Tondrozotra


  • Zoma 11 Martsa 2016

Mifototra tanteraka amin’ny «principe de bonne foi» ny fifandraisana iraisam-pirenena.


 

 Midika izany fa « ireo fifanarahana nekena sy vita sonia rehetra dia tsy maintsy tontosaina hatramin’ny farany », hoy ny profesora Radanoara Julien izay. Tsy ananantsika Malagasy, indrindra ny mpanao politika anefa ny hitsim-po izay zatra misafelipelika saingy fepetra henjana azo tsapain-tanana ny «ni… ni… » nahazo ny filohan’ny tetezamita rehefa nandà ny fifanarahan’i Pretoria. Torak’izany ihany koa ny mikasika ny Tondrozotra nifaneken’ny samy Malagasy. Mitaky hatrany ny fampiharana azy iray manontolo ny fianakaviambe iraisam-pirenena hatramin’izao. Miandry ny fihetsiky ny mpitondra fanjakana Malagasy izay tompon’andraikitra feno amin’ny fampiharana io soridalana efa lasa lalàna velona eto Madagasikara io hatreto ireto farany. Tsy hanaratsy endrika manoloana ny tsy fanajan’ny firenena Malagasy itony karazana fifanekena iraisam-pirenena itony ihany koa anefa ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina eo imason’izao tontolo izao, araka ny fanamarihan’ity manampahaizana momba ny fifandraisana maneran-tany ity.

Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT