Telopolo andro latsaka sisa dia hivalona tanteraka indray ity taona 2020 ity. Azo
lazaina ho taona nangidy indrindra tamin’ny Malagasy tao anatin’ny 60 taona nahazoana ny fahaleovantena. Taona nanjakan’ny coronavirus, ny fahasahiranana, ny fahantrana, ny loza, rà mandriaka,… Rehefa mba nandeha ny adihevitra nialohan’izany, dia nohamaivanina ny resaka, toy ny hoe tsy mafy noho ny pesta io, izahay aloha izao no eto dia aleo izahay no hitondra, tsy ianareo izay 6% no hahasolo ny vahoaka,… Tsy vonon-kihaino sy tsy vonon-kisokatra fa baikoan’ny hambo-po diso toerana ary diso fahavalo hatrany ny mpitondra. Tsy manaiky diso mandrakariva, saingy tsy izy ireo no mizaka ny voka-dratsin’ny tsy fahaiza-mitondra firenena fa ny vahoaka efa ho 30 tapitrisa. Na inona na inona ambara dia nihemotra sy niha fadiranovana i Madagasikara. Nahasoa ve ny vava be sy valy boraingina tsy natao teto? Manao izy tian-katao sy tsy mety manaiky diso, ary toa maneho fa tompon’i Madagasikara samirery. Eo am-pelantanan’olom-bitsy ny ain’ny Malagasy, ary tsy ny mahasoa an’ireo no laharampahamehana fa ny revirevy sy revorevon’ny sain’ny mpitondra. Zary fialana bala amin’ny tsy fahombiazana ny zava-misy maneran-tany, kanefa isika aza lazaina fa tsy mila miankin-doha sy mitrosa any ivelany, efa niomana 4 taona. Nolazaina aza fa hanavotra an’izao tontolo izao, ary noforonina hatramina horonan-tsary hafahafa tamin’ilay hoe: Johanna avy any Brezila ? Toa filalaovana saim-bahoaka sy fironana any amin’ny kajikajy sy tombotsoa politika, ary ny kisehoseho ivelany. Mbola mino ve ny mpitondra fa azo rebirebena hatrany ny vahoaka ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.