Edito

Tompondakan’ny tsy fahaiza-mitantana


  • Zoma 03 Jona 2022

Efa an-taonany izao no nimenomenoman’ny olom-pirenena maro mikasika ny volam-bahoaka na koa hoe ny volan’ny mpiasa Malagasy akana ny karaman’ny mpanazatran’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra ankehitriny

monja. An-jatony tapitrisa Ariary maromaro no resaka teto kanefa ireny niaraha-nahita ireny hatrany moa ny vokany taorian’ny CAN 2019. Tsy tafakatra tany amin’ny tompondakan’I Afrika manaraka intsony ary lasa sakaizam-paharesena foana indray, indrindra, tao anatin’ny fitantanan’ity mpanazatra zary ampanankinana mihitsy ny hoavy manontolon’ny kitra eto Madagasikara ity. Zary vazivazy fanesoana ankehitriny ny hoe efa nivoatra satria ny faharesena 4 noho 0 efa lasa 3 noho 0 sisa. Tsy dia hidirana lalina be intsony angamba ny momba izay fa ny tiana ahatongavana dia ny hoe zary lasa atsipy eny an-davarangana hatrany izany aloha izao ny volam-bahoaka ao amin’iny lafiny iray iny. Ny lafiny hafa toy ny vola nampindramina ny tompony ihany koa tsy iverenana intsony. Raha anontaniana ny maro an’isa hoe lojikam-piainana ve izany dia inoana fa samy resy lahatra fa tsia! Mirongatra io ny fakana an-keriny mampihorohoro ny tanan-dehibe. Efa nanao fanambarana moa iny ny polisim-pirenena ka ho hita eo tokoa izay ho vokany. Tsy izany ihany anefa no endriky ny tsy fandriampahalemana mpiseho eto. Ny any amin’ireo faritra hafa moa dia mbola mitoetra ny asan-dahalo, ny vono olona feno habibiana, ny fakana taova, ny vaky fasana sy ny hafa rehetra tsy voatanisa. Ny vidim-piainana miha midangana hatrany ary hatreto aloha dia ny azo ilazana azy amin’ny fomba mba heverina ho miabo ilay fampiakaran-karama angamba dia hoe marika na “symbolique” fotsiny ihany. Araka ny fitarainana heno matetika eny amin’ny fiarahamonina eny dia hoe ny vola miditra mihena kanefa ny mivoaka mitombo na dia efa nahena koa aza ireo filana isan-tokantrano. Aiza ho aiza amin’izany santionana fahasahiranana rehetra izany moa izany izao no vokatr’ireo hoe fofom-bola nireharehana farany teo na koa ireo famatsiam-bola an-tapitrisa Euro na Dolara voalaza ho efa an-tanana. Nitondra fihatsaran’ny fiainan’ny isan-tokantrano ve? Aiza ny fangaraharaham-pitantanana? Sarotra ny handa fa izany olana isan-tsehatra izany na fanatanjahantena io na ara-tsosialy na toekarena na hafa dia mampiseho ny maha tompondakan’ny tsy fahaiza-mitantana izao fitondrana izao hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT