Edito

Tompondakan’ny fihetsiketsehana


  • Alakamisy 27 Oktobra 2022

Raha fihetsiketsehana aloha dia tena mbola hita ho lohalaharana raha mitaha amin’izay rehetra efa nandalo teo alohany ny fitondrana ankehitriny.

Azo lazaina hoe tompondakan’ny fihetsiketsehana mihitsy. Nampitomboina iny ny tetibola natokana ho an’ny fambolena saingy ny fanontaniana mipetraka sahady dia hoe tena hahavaha ny olan’ireo tantsaha tokoa ve? Ampy hanampy ny fahasahiranan’ny tantsaha ankehitriny tokoa ve io tarehimarika io? Tsy ireo tantsaha mpamboly vary ihany fa na ny mpisehatra lavanilina, litchi, jirofo sy ny maro hafa rehetra no resaka eto. Na hiresaka famokaram-bary, izay malaza ho foto-tsakafon’ny malagasy, koa aza dia io iaraha-mahita sy mahalala hatry ny ela io ny mbola tsy fahaleovantenantsika ara-pamokarana izany hatramin’izao. Nireharehan’ny fitondram-panjakana mihitsy aza teo ny fanafarana izany. Fahavitan-tena ara-tsakafo nefa no nirahiraina tao anaty fampielezankevitra. Mbola tsy mivaha ny vidin-tsolika sy ny vidim-piainana ary ny tsy fandriampahalemana fa ny tena mahasorena ny maro hatramin’izao dia ity resaka angovo sy herinaratra ity. Eo no mampiverina ambony latabatra ilay resaka teo. Tompondakan’ny fihetsiketsehana! Fihetsiketsehana izany! Fampisehoan-kery izany! Vono vorona izany, hoy ireo mpanara-baovao saingy ny vokatra anefa dia mbola delestazy hatramin’izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT