Izao izany ve vao hampianatra ireo mpanao politika hifanaja ireo najoro ho mpampihavana eto amin’ny firenena sa mba hahafahana manakona fotsiny hoe tsy misy atao dia mba mody mamoromporona ity resaka sata sata sy dina ity izy ireo ?
Efa niaraha-nahalala fa lalàmpanorenana aza maro tamin’ireo mpanao politika, indrindra fa mpitondra nandalo teto amin’ny firenena no sahy nanitsaka azy ka maika fa hoe sata tsy misy famaizana. Hatramin’izao dia mbola tompondakan’ny andrankandrana hatrany aloha ny fahitana ireo mpanapa-kevitra eto Madagasikara fa raha hozahana angamba izay tena mendrika ny antsoina hoe mpitarika matotra dia ho kivy ambony daholo eto ihany. Ny HCC nanao ny nataony, ny CENI nanao ny nataony, ireo praiminisitra sy filoham-pirenena koa toy izany. Ireto voalaza ho mpahay fihavanana sy najoro ho mpampihavana moa dia tsy hita hatramin’izao izay tena tanjona amin’ny hampijoroana azy ireo eo amin’ny toerany sy izay tena fahefany. Fototry ny fampihavanana ny fifampiresahana sy fifanatonana saingy efa ela no niandrasana azy io teto amin’ny firenena kanefa dia mivadika ho kajy politika namotika ny fiainam-bahoaka hatrany aloha hatreto. Tsy hain’ireo nitondra fanjakana sy mpifantina ireny najoro ho mpampihavana ireny mihitsy ve ny namantatra izay tena olo-mendrika hisahana ity resaka fihavanana ity sa izy ity mihitsy no rafitra mody najoro hanakonana izay mety ho teti-dratsy politika vaovao handrevoana an’i Gasikara kokoa ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.