Edito

Tompondaka…


  • Alarobia 12 Febroary 2020

Rehefa tonga avy any ivelany, dia tokony hitondra voandalana ho an’ny firenena ny filoham-pirenena Malagasy, izay niatrika ny Fivoriana an-tampon’ny Vondrona Afrikanina.

 

 Raha ny re dia toa nahazo fanasana ho any Sina ihany koa izy. Zava-dehibe sy voninahitra ho antsika aloha ny doka azo tany fa tompondaka na “champion” isika amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Tena manana paikady mahomby sy mafonja, hono, ny fitondram-panjakana hiadiana amin’io. Enga anie ka hody ventiny ny rano nantsakaina. Hatreto aloha i Madagasikara, dia mbola ao anatin’ny firenena marefo indrindra amin’ny resaka fanjarian-tsakafo. Betsaka izay resaka ambony latabatra izay, tsy tambo isaina izay fampanatenana natao izay,… Miandry amin’izay ary Ramalagasy amin’ny fanatanterahana. Tena ampy izay ny fampanantenana isaky ny mahazo “micro”. Raha ireny no tanteraka dia azo ambara fa ampy hampiova na amin’ny ampahany ihany aza ny fiainam-bahoaka. Efa tsy vaovao amin’ny rehetra intsony koa ity tsy fitazonana ny teny nomena ity, ka ny hany hahafahana manampina ny vavan’ny mpanakiana, dia ny fanatanterahana ilay velirano. Raha ny fanenjehana sesilany ireo politisianina tsy mitovy hevitra ny fanatanterahana ny velirano, dia ho azo antoka fa izay vao ho tena “champion” ny mpitondra, ka ampirisihina mafy amin’ny famahana olam-bahoaka sy fampandrosoana. Tena mampivarahontsana mantsy ny mandre fa efa misy tafiakatra 1000 na 1100Ar ary ny kapoakam-bary amin’ny faritra sasany. Hatreto dia tena tompondakan’ny fampanantenana, ka ny hirariana dia ho tompondakan’ny asa mivaingana miantraika amin’ny fiainam-bahoaka. Alao hery ary satria mora ny mampanantena, fa sarotra ny manatanteraka e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT