Aiza marina no fonja itazoana ireo mpitarika ao amin’ny Ankolafy Telo, dia i Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas ary ny pastera Edouard ? Siosion-dresaka fotsiny mantsy no re tato anatin’ny efatra andro izao. Toa hoe tao amin’ny fonjan’Ambatolampy no nihazonana azy ireo, dia nafindra tany Fianarantsoa, dia naverina tany Ambatolampy indray, dia izao mandeha indray ny feo fa toa hoe any Andasibe ry zareo. Ny avy amin’ny ministeran’ny fitsarana koa moa tsy misy fanazavana ary ny fianakaviana dia tsy mahazo mamangy azy ireo, fa any amin’ny manampahefana no mametraka ny akanjo sy izay ilaina rehetra, dia ireto farany no mampita ny entana any amin’ireo voafonja vonjimaika.
Fa inona no anton’izany ankiafinafina izany ? Sa ve misy mitady hamoaka ny fonja amin’ny alalan’ny hery izy telo mirahalahy ireo ? Sa ahiana ny amin’ny ainy fa misy mitady hamono ? Tsy vao izao ihany fa efa hatramin’ny 2009 tamin’ny raharaha Manandafy sy ireo manamboninahitra niara-voasambotra taminy teny amin’ny Carlton no nanao ity famindrafindrana toerana ny gadra politika ity ny FAT, ary efa niharan’izany ihany koa Atoa Ralitera, ilay talen’ny fiarovana tao amin’ny HCC Ambohidahy nolazaina fa saika hanongam-panjakana sy mamatsy fitaovam-piadiana andian-jiolahy. Nalefa tany Tsiafahy dia naverina tao Antanimora. Nisy fotoana nitsaboany tena tao amin’ny HJRA dia nalaina tampoka indray ary naverina ao Antanimora. Fa inona no anton’izany fihetsiketsehana rehetra izany ? Rehefa tsy misy moa ny fanazavana fanampiny dia mandeha ny resaka sy tombantombana etsy sy eroa. Ao ny milaza fa karazana paik’ady handrerahana ireo voafonja ihany izany, no natao ihany koa mba hampitaintainana ireo fianakaviana.
Rehefa valaka sy ketraka noho ny fivezivezena mantsy ireo voafonja sady mahalala fa mitaintaina lava ny vady aman-janany dia mety hiaiky heloka, eny fa na ny zavatra tsy nataony aza. Karazana teknikana fandemen-tsaina fanaon’ny firenena sosialista amin’ny fampijaliana ny voafonja mba hahazoana vaovao sy fanampim-panazavana izany. Amin’ny lafiny iray koa anefa dia mety ho fihetsiketsehana sy vaovao iniana aparitaka fotsiny ireo mba hijerena ny fihetsiky ny vondron’olona sasany, ary mbola mampiseho izany tranga rehetra izany fa manao izay tiany sy hitany fa mety ny FAT ary tsy misy mahasakana azy amin’izany. Fa na rahampitso dia rahampitso ihany aza no tiany hafindra eny Tsiafahy na Andrangaranga Arivonimamo daholo ny voafonja ao Antanimora dia ataony izany. Anio talata 23 novambra moa no voatondro fa hitsarana azy telo mirahalahy ireo etsy Anosy raha tsy misy indray ny fanovana amin’ny ora farany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.