Edito

Tompondaka !


  • Alarobia 16 Novambra 2016

Efa tena tompondaka mihitsy ity fitondrana ity saingy tsy mba amin’ny tsara fa amin’ny ratsy. Tompondakan’ny fampiesonana, tompondakan’ny afera maizina, tompondakan’ny fanaovana be marenina, tompondakan’ny tandrametaka, tompondakan’ny filibana, tompondakan’ny fihaingoana ambony tsikoko …


 Ankatoky ny fandraisana ny Frankofonia isika izao ary mitohy ny fanaovana seho ivelany sy ilay tandrametaka hatramin’izay. Terena ny Gasy mba hanafina ny fahantrana lalina iainan’ny firenena mba hilazana fa tany mivoatra sy milamina i Madagasikara ary miadam-pinaritra ny mponina ao aminy. Terena ny vahoaka hiara-kanakona ny hadalan’ny mpitondra tsy manao afa tsy ronono an-tavy izay tsy ny Malagasy ihany fa hatramin’ny vahiny aza kendrena hofitahina. Fady ny hiaiky fahadisoana ka mba hanarina ny tsy nety fa vao mainka midingin-drambo sy mandrangitra. Tsy manan-katao afa tsy manangam-pahavalo na dia herim-pamoretana aza sisa ianteherana. Raha fitokisam-bahoaka sy fankasitrahan’ny besinimaro dia efa ela no tsy nisy fa ny politika maloto no nahazoana fitondrana. Tsy atao mahagaga raha very hasina sy voninahitra ny mpitondra izay tsy atokisam-bahoaka ka toy ny fanjakan’i Baroa sisa no misy eto amin’ny firenena. Manaja tena sy miaiky heloka ary mibaboka sisa vahaolana saingy mbola miandry ny akoho haniry nify angamba e !

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT