Edito

Tompon’ny fanapahan-kevitra


  • Sabotsy 11 Febroary 2017

Ny vahoaka no tompon’ny fanapahan-kevitra rehefa tonga ny fifidianana, hoy ireo tompon’andraikitra raha nanentana ny olom-pirenena hikarakara ny momba azy avy amin’ny fiatrehana ny fotoan-dehibe eo amin’ny tantaram-pirenena ny fiandohan’ny herinandro teo.

 

Hay va re ka efa nalalaka tamin’ny safidiny ny vahoaka teto amin’ity firenena ity e ! Efa nahatsiaro tena ho tompon’ny fanapahan-kevitra tokoa tamin’ireo fifidianana nifanesy ve isika mianakavy sa dia nanaiky lembenana hatrany na dia efa nahita niharihary ny tsy fangaraharana niseholany izay mbola mitady ho lo any amin’ny vata fitehirizan-taratasin’ny fitsarana any hatramin’izao ? Mba aiza ho aiza tokoa moa ny tohin’ny fitarainana maherin’ny 3 000 mikasika ny fifidianana natao farany teo ? Na tsy anisan’ireo vahoaka madinika intsony aza ny ankamaroan’ireo nametraka ireny fitoriana sy fitarainana ireny dia mba naharay feo avy amin’ireo mpanapa-kevitra ireo ihany koa. Mety ho marina tokoa angamba ny hoe mpanapa-kevitra saingy tsy hasiana vidiny intsony raha izao no mitohy.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT