Edito

Tompon’ny fahefana


  • Alarobia 28 Martsa 2012

Amin’ity alarobia ity no hanao ny fianianany etsy amin’ny fitsarana ambony Anosy ny filohan’ny CENIT na vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, Rtoa Attalah Béatrice.

 Tsy vahiny amin’ny resaka fikarakarana fifidianana ny tenany satria efa mpikambana tao amin’ny Filankevi-pirenena momba ny fifidianana (CNE) teo aloha. Ny fifidianana irery ihany no hamaranana tanteraka ny tetezamita sy ny krizy ka hiampitana any amin’ny Repoblika vaovao tantanana filoham-pirenena voafidim-bahoaka ara-pomba demokratika. Ambetin-dresak’ireo mpanao politika maro moa, indrindra fa ireo akaiky ny filohan’ny tetezamita, ity hoe fifidianana ity no tena vahaolana. Tsy misy manda izany mihitsy, saingy samy mba sarotiny kosa amin’ny fikarakarana azy.

Maha saropiaro ny maro koa ilay hoe : aleo mba ny safidim-bahoaka tena izy ary no hipoitra fa tsy safidim-bahoaka efa niharan’ny sivana e ! Ny tian-kambara amin’io dia tsotra : aza sakanana ny rehetra manam-paniriana ny ho kandida fa aleo samy hirotsaka. Mila masahana tsara fotsiny ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana mba hialana amin’ny hala-bato amin’ny endriny maro samihafa, ary jerena tsara ihany koa ny fomba rehetra tsy hampisy intsony ny fividianana ny safidin’ny olona, amin’ny alalan’ny fanomezana esty sy eroa. Raha mbola atao mazava kokoa ny resaka dia manao hoe : maharesy lahatra kokoa ny maha demokratika ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo, raha toa ka samy kandida Atoa isany Andry Rajoelina sy i Marc Ravalomanana, ary izay resy dia manaiky ny vokatra, mifaninana indray amin’ny manaraka raha mbola sahy. Tena hafahafa ihany mantsy ny fifidianana ho avy eo, raha toa ka tsy ahitana ireo kandida roa ireo. Dia aleo hisafidy malalaka ny vahoaka tompon’ny fahefana, fa aza terena an-kolaka hanadino an-dRakoto, na tambatambazana mba hifidy an-dRabe.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT