Edito

Tompon’andraikitra vomanga ?


  • Alakamisy 13 Oktobra 2016

Tsy vaovao amin’ny Malagasy intsony ny resaka delestazy satria samy mikaikaika avokoa ny vahoaka manerana ny nosy kanefa zara raha 15% amin’ny Malagasy no misitraka herinaratra.

Ny tena mahagaga dia tsy re feo ireo tompon’andraikitra lehibe toy ny Filoham-pirenena izay nanambara fony izy vao nirotsaka hofidiana fa telo volana dia foana ny delestazy. Ireo mba miteny indray dia ambetin-dresak’izy ireo ny hoe tsy vao izao no nisy ny delestazy. Inona no maha tompon’andraikitra raha tsy hijery vahaolana fa hiala bala lava izao? Iaraha-mahita ny halafon’ny solika izay tsy zakantsika.  Noheverina hitondra vahaolana ny filazana tamin’ny fomba makotrokotroka fa afaka mampiasa ny menaka mavesatra mivoka avy any Tsimiroro na ny “fuel lourd” isika saingy mbola izao no zava-misy. Manaporofo izany fa efa tena nilaozan’ny toetr’andro ny famokarana miainga amin’ny fampiasana solika izay efa nadaboky ny firenena maro. Mbola somary lavitr’ezaka ny fananganana tobim-pamokarana miainga amin’ny riandrano noho ny sarany. Manana masoandro migaingaina azo tratrandrahina isika ary efa maro ireo manam-pahaizana nanolo-kevitra ny momba izany saingy antso an’efitra ihany izany mandrak’ankehitriny. Fotoana tokony hidirana amin’ny fampiasana angovo azo havaozina izao raha tena misy ny finiavana hamaha olana fa tsy resabe sy fialana bala lava no hafafy eto.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT