Edito

Tombontsoa iombonana


  • Alatsinainy 04 Mey 2015

Tsy hisy mihitsy ny hoe fehin-kevitra haharesy lahatra ny rehetra, izany indrindra no mahatonga ny fifampiresahana, fifampiraharahana sy ny fifandresen-dahatra.Mety samy ahitana lafy ratsiny sy lafy tsarany ny paikady iray, arakaraka ny fomba fijery azy sy ny hampiharana azy

 


.Nisy ohatra ny nilaza fa nilaina ny nisian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, ao ny milaza fa tena zava-doza ho an’ny firenena iny ary anton’izao fahantrana lalina izao. Efa rano raraka an-tany anefa iny ka tsy azo raofina intsony, ny fanarenana izao no zava-dehibe, fametrahana fitoniana ary fikarohana hevitra ny mba tsy hiverenan’ny fifandirana politika mitarika krizy eto amin’ny firenena intsony.Izay no antony nanaovana ny fampihavanam-pirenena, efa nisy karazana fihaonambem-paritra sy loabary an-dasy, dinika nasionaly mialoha an’io ; tsy misy ny tonga lafatra saingy nahafahana nandray lesona ireny rehetra ireny.Ankehitriny misy ny dingana lehibe vita, tsy mora no nahatongavana tamin’iny fihaonambe teny amin’ny CCI Ivato iny ary tsapa fa nisy ezaka goavana avy amin’ireo ankolafy maro samihafa. Misy ny mbola miahiahy, ao ireo tsy afa-po, tsy atao mahagaga na mampatahotra izany fa azo tohizana foana ny fifampiresahana…Ny andrasana fotsiny dia ny fampisehoan’ireo mpitondra fanjakana, mpanao politika fa tena tia tanindrazana marina izy ireo ka mahay mitsinjo ny tombotsoa iombonana fa tsy variana amin’ny tombontsoa manokana na ny tombontsoan’antoko.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT