Edito

Tomban’ezaka sa mampifezaka ?


  • Alarobia 28 Desambra 2016

Telo andro sisa dia higadona ny andro hanaovam-beloma ny taona 2016. Samy nanana ny fahitany azy mikasika azy iny ny isam-batan’olona.

Ny tsikaritra sy niaraha-nahita aloha dia anisan’ny nanamarika azy iny ny ady sy fifanenjehana. Nisongadina indrindra ireo tolona mikasika ireo adin-tany sy fanoherana fitrandrahana harena ankibon’ny tany tamina faritra maro manerana ny Nosy, toy ny tetsy Ilafy sy Anjozorobe ary Soamahamanina. Tao ihany koa ny fisamborana mpanao politika samihafa izay heverin’izao fitondrana izao fa nanohintohina azy ary na ireo noheverina fa tanana an-kavanana aza moa dia nohenjehina sy nadoboka ihany koa. Ankoatra ny lafiny sosialy sy politika dia anisan’ny nisedra onja nakadiry ihany koa ny teo amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina. Olomangan’ny sarimihetsika sy ny hira sy mozika ary literatiora maro no lasan’iny 2016 iny. Asa fampihorohoroana, asan-dahalo, tsy fandriampahalemana, tsy nisy izay tsy nandalo teto. Heverina ho zava-dehibe kosa, na dia noseranan-desoka ihany koa aza, ny nandraisana ireo fihaonana an-tampony iraisam-pirenena roa dia ny Comesa sy ny Frankofonia. Manoloana ireo rehetra ireo, inona re no tokony hokabariana eny Iavoloha e ? Tomban’ezaka tokoa ve sa, tombana mampifezaka ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT