andaminana isika io ary tsy azo
itsaràna hoe nahomby sa tsy nahomby mihitsy ny fitantanana firenena iray, raha anaty 2 na 3 volana no hitsaràna azy. Tetezamita na koa hoe rafitra vonjimaika rahateo no mijoro ka izay laharam-pahamehana mba tsy hamono ny vahoaka aloha no tsy maintsy atao. Ankilany, satria mpanohitra moa, dia mazava ho azy fa tsy maintsy hiteny hoe tena vao mainka ratsy noho izay niainana teo aloha no hita eto amin’ilay firenena. Tanisainy eo ny fitohizan’ny tsy fahatomombanan’ny famatsiana herinaratra sy rano, ny gaboraraka miseho eny amin’ny fifamoivoizana na sampan-draharaham-panjakàna sasantsasany eny, ny tsy fandriampahalemana sy izay olana hafa rehetra niaraha-nahalala fa efa nisy teo aloha kanefa mbola tsy afaka mandrak’anio. Tsy azo lavina tokoa aloha ny mbola fisian’izany rehetra izany saingy niha mafy noho ny teo aloha tokoa ve? Tena vao mainka mahazo vahana eto amin’ny firenena tokoa ve izao ny tsimatimanota, raha ny tsapa sy iainan’ny vahoaka malagasy tato anatin’izay 2 volana manodidina izay? Mazava ho azy fa tsy fady tokoa angamba ny manontany hoe inona no lesoka dia inona no miabo efa hita tao anatin’izany rehetra izany fa ny azo amehezana azy aloha izany dia ny hoe tolona tsy mora izy ity ary tolona mbola mitohy! Tsy mora izany manohitra ampihimamba iraisampirenena izany. Tsy mora toy izany koa ny miala amin’ny antsoina hoe fanjanahana amin’ny endriny vaovao izany. Manana fomba filaza kanto na «art de parler» izay, na dia miaramila aza moa ny filohan’ny fanavaozana, izay heverina hoe entiny hanomezana lesona ireny firenen-dehibe tsy mety mamela mahazo ity tany be harena voajanahary antsoina hoe Madagasikara ity ireny. Isan’ny naneho izany izy tamina fahitalavitra vahiny iray farany teo raha nilaza fa misy firenena sasany tsy mahazohazo ny fifandraisan’izao firenena izao amina firenen-kafa ankoatra azy. Heverina sy irariana fa endrika iray fanamafisan’izao fitondràna izao ny tolona izany. Tolona tsy mora nefa!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.