Tolona tsy mora!

Andaniny, milaza fa anaty f


  • Zoma 28 Novambra 2025

andaminana isika io ary tsy azo

itsaràna hoe nahomby sa tsy nahomby mihitsy ny fitantanana firenena iray, raha anaty 2 na 3 volana no hitsaràna azy. Tetezamita na koa hoe rafitra vonjimaika rahateo no mijoro ka izay laharam-pahamehana mba tsy hamono ny vahoaka aloha no tsy maintsy atao. Ankilany, satria mpanohitra moa, dia mazava ho azy fa tsy maintsy hiteny hoe tena vao mainka ratsy noho izay niainana teo aloha no hita eto amin’ilay firenena. Tanisainy eo ny fitohizan’ny tsy fahatomombanan’ny famatsiana herinaratra sy rano, ny gaboraraka miseho eny amin’ny fifamoivoizana na sampan-draharaham-panjakàna sasantsasany eny, ny tsy fandriampahalemana sy izay olana hafa rehetra niaraha-nahalala fa efa nisy teo aloha kanefa mbola tsy afaka mandrak’anio. Tsy azo lavina tokoa aloha ny mbola fisian’izany rehetra izany saingy niha mafy noho ny teo aloha tokoa ve? Tena vao mainka mahazo vahana eto amin’ny firenena tokoa ve izao ny tsimatimanota, raha ny tsapa sy iainan’ny vahoaka malagasy tato anatin’izay 2 volana manodidina izay? Mazava ho azy fa tsy fady tokoa angamba ny manontany hoe inona no lesoka dia inona no miabo efa hita tao anatin’izany rehetra izany fa ny azo amehezana azy aloha izany dia ny hoe tolona tsy mora izy ity ary tolona mbola mitohy! Tsy mora izany manohitra ampihimamba iraisampirenena izany. Tsy mora toy izany koa ny miala amin’ny antsoina hoe fanjanahana amin’ny endriny vaovao izany. Manana fomba filaza kanto na «art de parler» izay, na dia miaramila aza moa ny filohan’ny fanavaozana, izay heverina hoe entiny hanomezana lesona ireny firenen-dehibe tsy mety mamela mahazo ity tany be harena voajanahary antsoina hoe Madagasikara ity ireny. Isan’ny naneho izany izy tamina fahitalavitra vahiny iray farany teo raha nilaza fa misy firenena sasany tsy mahazohazo ny fifandraisan’izao firenena izao amina firenen-kafa ankoatra azy. Heverina sy irariana fa endrika iray fanamafisan’izao fitondràna izao ny tolona izany. Tolona tsy mora nefa!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT