Edito

Tolona …mihemotra !


  • Alatsinainy 15 Novambra 2010


Tsy hita izay tena marina ! Io no niverimberina tao am-bavan’ny maro ny sabotsy sy alahady teo, taorian’ny tsy naharaikitra ny hetsika saika nokarakarain’i Monja Roindefo sy ny fandravan’ny Emmo Reg ny fivoriana fanaon’ny Ankolafy Telo isan’andro teny amin’ny Magro Behoririka. Mialoha io anefa, hatramin’ny zoma alina dia samy nampiaka-peo ireo mijoro ho mpanohitra fa na inon-kidona na inon-kihatra dia tsy maintsy miroso ny dia. Raha ny zava-misy marina anefa no dinihana dia toa ny mifanohitra amin’io no mitranga, satria tsy nahazaka olona teto Antananarivo i Monja Roindefo, any am-ponja ireo mpitari-tolona sasany ao amin’ny Ankolafy Telo, ary hita sy tsapa fa tsy misy ny hetsika mivaingana hanafahana azy ireo.

Nisy ihany ny fanambarana nataon’ireo parlemantera TIM saingy efa iaraha-mahalala fa tsy mampihetsi-bolomaso ny FAT raha izay resaka fanambarana izany, satria efa mahazatra azy. Noho izany dia tsy fantatra mazava izay tena ho tohin’ny tolon’ny Ankolafy Telo, ary ny mampanahy ny maro aza dia hitohy ny fisamborana ireo mbola sahy miditra eny amin’ny Magro ary na tsy voasambotra aza dia hodarohan’ny baomba mandatsa-dranomaso isan’andro. Raha nahavory olona maro be foana tany amin’ny faritra nalehany i Monja Roindefo dia nibaribary fa tsy nisy mpanaraka teto an-drenivohitra, ka izay no tsy nahatanteraka ilay hetsika. Raha vahoaka an’arivony mantsy no tonga teny Ankorondrano dia inoana fa tsy ho sahy nandrava izany ny Emmo Reg.

Ny hany herin’ny filohan’ny Monima dia ny niantso (indray !) ny foloalindahy mba hijoro sy handray ny andraikiny, saingy manjavozavo ihany izany satria be loatra ny tsaho sy ny resaka efa ho roa taona izao momba ny foloalindahy. Ny marina dia mipetraka tsara any an-dakazerina izy ireo ary toa tsy te hiray petsapetsa amin’ny mpanao politika intsony. Tsy i Andry Rajoelina sy ny FAT ihany no tokony haka lesona amin’ny lasa fa ny mpanohitra ihany koa. Maro loatra mantsy ny filma efa nandeha tadiavin’ny mpanohitra haverina, saingy efa mahafantatra tsara izany ny fitondrana tetezamita ary mahita fanefitra haingana. Efa teo tsinona izy no niala. Fehiny dia mihodinkodina am-pitoerana ireo mpanohitra ny FAT ka manao vavabe etsy sy eroa fotsiny, ka izay tsy voasambotra sy migadra dia mamadika palitao rehefa sempotry ny lakrimôzenina isan’andro.

Mahakely finoana ihany ny hahatongavan’ireo filoha teo aloha mirahalahy amin’ity taona ity raha izao no fitrangany, miha mahazo hery indray mantsy ny FAT ankehitriny ary mbola ho mafy kokoa izy raha tanteraka soa aman-tsara ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny alarobia, satria efa azo antoka fa handresy ny Eny. Dia hanao inona indray ireo mpanohitra ? Hanao “sit-in” eny Alarobia manoloana ny foiben’ny CENI ve sa hametraka fitarainana eny amin’ny filankevi-panjakana ? Mila mahay maka lesona ny rehetra ary mandray izay tandrify azy fa tena hafahafa ny zava-misy. Ny famoahana ny gadra politika no nitolomana kanefa toa vao miha mitombo ny eny Antanimora sy Tsiafahy ary Ambatolampy. Izany ve tsy tolona … mihemotra ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT