Edito

Tolona manafosafo


  • Alakamisy 20 Oktobra 2016

Tao ireo nampitsangana ny malagasy, nanaraka avy eo ireo nampanao dinika ho fanavotam-pirenena, tao anatin’ireo ihany koa anefa avy eo no nipoiran’izany antso hanavotana ny firenena izany


, dia nitohy hatrany ary efa ho am-polony ireo karazam-bondrona niforona nilaza hitolona hanoherana ny tsy maty manota eto amin’ny firenena. Mbola nivondrona indray avy eo ireo efa vondrona ireo ka niara-nanorina fivondronana hoe ho amin’ny fanorenana. Nitombo ihany ny voambolana rehefa niara-niketriketrika teo ka dia lasa hoe ho amin’ny fanorenana ifotony indray ilay fanorenana voalaza teo aloha. Ny zava-misy anefa hatreto tsy mbola mety haharesy lahatra ireo hanaovana antso avo ireo hetsika sy vondrona misy satria tsy tolona no hita fa tolotolona ary tsy mbola mampihetsi-bolomaso ireo izay kendrena aminy fa manafosafo ihany. Hampivory indray anio ny tolona iray vaovao. Hanao ahoana ny tena tanjon’ireto vondrona politika ireto ?

Faralahimatoa  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT