Ao anatin’ny fanamarihana ny tolom-panafahana nataon’ireo maherifon’ny firenena tamin’ny taona 1947 isika amin’izao fotoana izao.
Fanafahana ny firenena no tanjona tamin’izany, saingy mbola fanontaniana mipetraka ny hoe tena afaka marina ve ny firenentsika 70 taona aty aoriana ary mba tafita ve ny tarigetra nijoroan’ireo mpitolona tamin’izany fotoana ? Samy afaka mamaly angamba isika mianakavy fa mbola mila tolona avo folo heny tamin’ny nisy tamin’izany angamba no ilaina vao afaka eo ambany vahohon’ny fanjanahantany sy fanjanahantsaina misy ankehitriny isika. Olonolom-poana eto amin’ny taniny ny Malagasy ankehitriny ary fomba fanao toa tsy lefin’ny taona fotsiny ilay fankalazana ny fetim-pirenena fa na ny Malagasy aza efa tsy resy lahatra intsony. Efa donton’ny fahantrana tanteraka satria iankinan-doha amin’ny vahiny ny 80%-n’ny fampihodinana ny firenena. Tao anatin’ny 8 taona izay, dia tena tolom-panjanahana no misy eto amin’ny firenena, ka tsy atao mahagaga raha zary fihatsarambelatsihy sisa ny ankamaroan’ny fanamarihana ny tolom-panafahana sy ny fetim-pirenena. Taiza teto ambonin’ny tany no nisy fizaram-bola mba ho fanatrehana ny kabarin’ny filoham-pirenena raha tsy tamin’izao vaninandro izao ? Ny mpitondra no halam-bahoaka, ka hatramin’ny hasin’ny firenena avy no voahitsakitsaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.