Ny alarobia teo tao Amborogony Toliara dia lehilahy iray nampiahiahy ny fihetsiny no nosavain’ny polisy mpanao fisafoana ny entany, ka sarona tao anaty sakaosy miloko manga ny basy lava sy P.A iray vita gasy sy bala fito niaraka tamina ody gasy maromaro.......
Nafenina tao anaty gony ireto fitaovam-piadiana ireto nefa tratra ihany. Hatreto aloha dia tsy nahazoam-baovao ny saika hampiasana ireto basy sy bala tratra ireto. Vahiny mandalo ao Toliara moa ity lehilahy voasambotry ny mpitandro filaminana ity, ary tsy nahitana taratasy fahazoan-dalana mitazona sy mitondra basy koa tany aminy. Raha ny loharanom-baovao voaray akaiky ny mpitandro filaminana, dia saika hiondrana handray taksiborosy izy izao tratra izao. Ny famotorana ataon’ny polisy ihany no ahafantarana ny marina rehetra mahakasika ity tranga ity. Ny tsy azo lavina aloha, dia miparitaka ny basy amin’izao, indrindra ny vita gasy izay mahafaty, ka mamparefo ny tsy fandriampahalemana mampirongatra ny asa ratsy isan-karazany. Matetika dia ahitana olona voasaringotra sy manao trafikana basy ny any amin’iny faritra atsimo iny, efa an-taonany maro izay, ka mampahazo vahana ny asan-dahalo arahina vono olona toa tsy misy fanafana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.