Edito

TOLIARA Lehilahy iray nitondra basy 2, bala 7 sy fanafody gasy tao anaty sakaosy, voasambotry ny polisy


  • Zoma 04 Jolay 2014

Ny alarobia teo tao Amborogony Toliara dia lehilahy iray nampiahiahy ny fihetsiny no nosavain’ny polisy mpanao fisafoana ny entany, ka sarona tao anaty sakaosy miloko manga ny basy lava sy P.A iray vita gasy sy bala fito niaraka tamina ody gasy maromaro.......

Nafenina tao anaty gony ireto fitaovam-piadiana ireto nefa tratra ihany. Hatreto aloha dia tsy nahazoam-baovao ny saika hampiasana ireto basy sy bala tratra ireto. Vahiny mandalo ao Toliara moa ity lehilahy voasambotry ny mpitandro filaminana ity, ary tsy nahitana taratasy fahazoan-dalana mitazona sy mitondra basy koa tany aminy. Raha ny loharanom-baovao voaray akaiky ny mpitandro filaminana, dia saika hiondrana handray taksiborosy izy izao tratra izao. Ny famotorana ataon’ny polisy ihany no ahafantarana ny marina rehetra mahakasika ity tranga ity. Ny tsy azo lavina aloha, dia miparitaka ny basy amin’izao, indrindra ny vita gasy izay mahafaty, ka mamparefo ny tsy fandriampahalemana mampirongatra ny asa ratsy isan-karazany. Matetika dia ahitana olona voasaringotra sy manao trafikana basy ny any amin’iny faritra atsimo iny, efa an-taonany maro izay, ka mampahazo vahana ny asan-dahalo arahina vono olona toa tsy misy fanafana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Mipetraka
  • Zoma 27 Novambra 2026

ialahy dia mijery!

  • Mikisaka izay
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

kely vovok’aina ?

  • Miandry fihatsaràna!
  • Alarobia 25 Novambra 2026

Fandrosoana, fivoarana,

  • Mafanafana !
  • Talata 24 Novambra 2026

Toe-draharaha maro

  • Raharaha
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

maro!

  • Samy manavao!
  • Zoma 20 Novambra 2026

Ny tranga rehetra ety

Hijery ny tohiny
FTT