Edito

Toky fitaka !


  • Alakamisy 30 Martsa 2017

Toky no omenay fa tsy ho rara-poana ny ra latsaka tamin’ny 1947, hoy ny minisitry ny fiarovana omaly, raha nikabary ho an’ireo Bekotro maro holatra, akanga sisa nanamborana, tao Moramanga.


Saika fandre isan-taona ihany koa anefa izay fehezanteny izay rehefa migadona ny fahatsiarovana ny datin’ny 29 martsa. Lazaina hatrany fa tsy nihemotra tamin’ny basin’ny mpanjanaka sy ny fanandevozan’ny vahiny, nanao vy very ny ainy ireo raiamandreny mba ahatongavana amin’ny tanjona ankehitriny. Tsy miova ny fanontaniana mipetraka 70 taona aty aoriana, efa afaka amin’izay fangenjana izay tokoa ve ny firenentsika ? Sa miaina fanjanahana amin’ny endriny vaovao ary tsy ny frantsay irery intsony no miezaka mangeja fa efa kely sisa dia izao tontolo izao mihitsy ? Iza moa sisa izao no firenena tsy mihazakazaka amin’ny fitavanana ny harentsika, raha jerena ny vaovao isan’andro ? Fa ny tena zava-dehibe dia hoe miaro ny mpiray tanindrazana aminy sa ireny mpiavy vaovao ireny ankehitriny ny foloalindahy ? Ny toky fitaka, ny atao no hita, hoy ny fitenenana.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT