Edito

Tokantrano hono tsy hahahaka e!


  • Alatsinainy 21 Novambra 2016

Ao anatin’ny frankofonia tanteraka isika amin’izao fotoana izao. Ny mpitondra milaza fa tombotsoam-pirenena ny fanatanterahana izany eto amintsika.


 Ny vahoaka kosa mahatsapa fa tsy hampiova na inona na inona io fa ireo olona nasaina sy ireo manam-pahefana hiatrika izany no higoka tambotsoa. Vola tsy toko tsy forohana mantsy no hatontona amin’io fihaonana io, toy ny resaka sakafo sy ny tambin-karama izay mahatratra amina miliara maro. Ny vahoaka kosa etsy an-daniny, ny hoanina anio tadiavina anio. Ezahin’ny mpitondra hafenina avokoa ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena manoloana ny fandalovan’ny vahiny maro be. Izay izany ilay hoe ny tokantrano tsy ahahaka ka dia takonana ao anatin’ny fotoana fohy ny lamba maloton’ny renivohitra, izay tsy mba nasian’ny mpitondra hasiny hatramin’izay. Tsy vahiny amin’ny haingo ambony tsikoko efa ho lava eto isika ka tsy mahagaga raha izay no zava-misy amin’izao fotoana izao. Ny hita aloha dia toa niova kely ny filaminana an-drenivohitra tao anatin’ny andro vitsy. Tsy ahitana mpangataka eny amoron-dalàna, miasa tsara ny mpitandro filaminana, eny hatramin’ny zaridaina dia toa voajary sy voakarakara ny ankamaroany. Marina fa nisy tokoa ny ezaka fa ny mampametra-panontaniana dia ny hoe mba nisaina ny hanao izany ve ny mpitondra raha tsy nisy ny Frankofonia ? Hitohy ve izany sa hiverina toy ny mahazatra ihany aorian’io fihaonana io? Raha ny hita sy tsapa aloha dia seho ivelany no betsaka. Raha tena nisy ny finiavana hampandroso tsy izao izany vao natao ary tsy nila nafenimpenina toy izao ny zava-nisy. Ny olona miezaka mampandroso ny Renivohitra aza moa hanaovana antsojay. Dia mbola seho ivelany foana aloha hatreto fa izay tena finiavana tsy misy e!

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT