Edito

Tokan-jotra tanteraka


  • Alarobia 11 Oktobra 2023

Miharihary fa fomba fijery tokan-jotra tanteraka ankehitriny no ezahana hampanjakana eto amin’ity firenena malagasy ity.

Miziriziry hanohy ny diany hiatrika ny fifidianana na dia samirery aza, sanatrian’ny vava ny kandida iray. Kandida miisa 11 kosa no mahita fa sady tsy mangaraharaha no tsy madio ary, indrindra, tsy eken’ny rehetra aloha ity fifidianana filoham-pirenena kasaina ho atomboka amin’ny 9 novambra ity. Kandida tokana ihany, araka ny efa hita eny rehetra eny izany no tena miseho ho mankato tsy am-pisalasalana izany. Kandida iray hafa tsy hita mazava izay tena tiany ahatongavana fa toa sady tsy manao fampielezankevitra no miala amin’ny maro, hoy ny tononkiran’ilay mpanao vazo miteny izay. Fa maninona, hoy ity farany, no izaho no hanatona azy ireo fa tsy izy no hanatona ahy? Demokrasia amin’io no resaka. Efa voaresaka tany aloha ny hoe maninona ny hetsiky ny mpanohitra na ny an’ireo kandida miisa 11 no norarahana baomba izay tsy hay intsony na natao handatsa-dranomaso fotsiny tokoa na efa zavatra hafa nefa miha mitombo hatrany ireo hita amin’ny sary fa manaradia izany? Maninona ny an’ny mpiaradia amin’ny fitondrana no tsy voakitika na dia hita ho vitsy an’isa no nidina teny Analakely aza 2 andro lasa izay? Lazaina fa anaty propagandy isika izao kanefa toa mbola misy kandida voasotasota ihany ary ny mpiambina manokany mihitsy no nosamborina? Mbola andrasana hatramin’izao ny valin’ilay fanontaniana natetika niverimberina hoe ho entintsika aiza ity firenena ity?
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT