Edito

Tokan-jotra lava


  • Alakamisy 02 Mey 2019

Nifarana teo amin’ny Tsak tsak zato, arivo nampalaza ny filoha teo aloha Tsiranana ny fitondrany.

 

 Raha tsiahivina, tsy fanekena ny fahaleovantena saritsariny no nampitroatra ireo tanora tamin’izany ary rehefa tsy ampy intsony moa ny fahafahana mandresy lahatra dia miafara amin’ny fampiasan-kery. Nitohy indray avy eo ny revolisionina sosialista an’ny filoha Ratsiraka. Nindraindraina indray teo ny hoe mampaninona ny lokonay raha menamena ? Ao anaty boky mena ihany no tena izy. Dia toy ny fahavalom-pirenena izay tsy niray hevitra tamin’ny mpitondra. Nohenjehina fatratra ho mpanao fijery tokan-jotra lava toy izany koa moa avy eo ny filoham-pirenena, Marc Ravalomanana.  Ary tsy azo lavina tokoa aloha kanefa azo lazaina hoe lojikan’ny fiainana politika hatrany na aiza na aiza eto ambonin’ny tany ny fisiana vondron’olona antsoina hoe fanatika. Izany hoe raha nanohana TIM izy dia mety daholo aminy ny ataon’ny TIM rehetra saingy ilay filoha nitarika ity antoko ity irery ihany anefa no hany filoham-pirenena sahy nibaboka hatramin’izay nisy teto Madagasikara hoe “raha nisy tsy nety nataoko, izay no maha olombelona ahy”. Nnony tonga ny tetezamita, tsy mba ny soa fianatra no nalain’ny filohany tahaka fa mbola ilay fambolena kolontsaina tokanjotra nanakianany ny teo aloha hatrany. Mbola hamafisiny foana moa io hatramin’izao hoe amin’ity teny lasa malaza hoe isika rehetra ity. Mila solombavambahoaka miaraka aminy, hono, ny filoha. Aiza moa no tsy hitanila lava ny fampandrosoana misy ? Ny fifandanjan-kery mihitsy no lavina hatrany ny fisiany. Filoham-pirenena hanazava amin’ny vahoaka ny fizotran’ny fitondrany ny raharaham-pirenena dia haino aman-jery “tsy miankina” miisa 2 monja no asaina. Ireo fanehoan-kevitra heno notapatapahana moa tsy asiana resaka intsony. Aiza izany amin’izao fotoana izao ilay hoe filohan’ny Malagasy rehetra ? Firifiry tamin’ireo naneho hevitra momba ny fahitany iny tatitry ny 100 andron’ny filoha farany teo iny moa no tsy nahita fa saika ny vinavina ho amin’ny ho avy indray no tena nibahana fa tsy dia izay tombana naneho ny zava-bita loatra. 2 andro taorian’ny ilay nolazaina fa tatitra vao nisy ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpisehatra eo anivon’ny tontolon’ny asa mikasika ilay resaka fampanantenana fampakarana karama nolazaina tany amin’ny fampielezan-kevitra fa hampiharina nanomboka ny volana janoary. 3 volana taty aoriana, mbola fifanarahana koa aza iny aloha no vita fa andrasana izay ho tohiny. Tsy mbola hiaino tolotsaina hafa ankoatra ny ao an-dapa ihany ve ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT