Edito

Tohizo ny lalantsika


  • Alatsinainy 03 Septambra 2018

Andro sisa isaina dia hiala ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina.

 

 Hisedra fifidianana fanindroany ny tenany taorian’izay 5 taona latsaka kely nitondrany izay. Ny rehetra no afaka manombana ny fitantanany ny firenena sy ny vokatra nentiny. Manga ny lanitra raha ny heviny, ary tsy hisy afaka ny hiteny azy ho tsy nanao zavatra tokoa, ka lojika raha manesika mafy amin’ny hoe : “arovy ny zava-bita”, ary te hindrana ilay teny fanevan’i Marc Ravalomanana aza angamba hoe: “tohizo ny lalantsika” e ! Mety nanana ny zava-bitany tokoa izy, saingy niaraha-nahita ihany koa ny fomba fitantanana ny firenena nanjakan’ny kolikoly sy ny tsimatimanota, saingy toa tsy afa-nanoatra firy ny filoha. Andeha hatao hoe : tsy fahadisoany araka ny tenin’ilay minisitra vehivavy iray efa tsy ao anaty governemanta intsony hoe: misy manipy hoditr’akondro izy, saingy tsy fialana bala izany satria izy no filoha masi-mandidy afaka nanadio ireo manodidina azy. Olombelona tokoa samy nanana ny mety ho fahalemeny sy fahadisoany fa ny lentany sy ny daoziny no tsy mitovy. Miteny ho azy ny karatra raha fiainam-bahoaka sy fampandrosoana no resahina, ary tsy misy afaka handa ireo vory saina tamin’izany fa niaina kokoa ny Malagasy tany amin’ny 10 taona lasa nitondran-dRavalomanana, ary dia hanohy ny lalana izy. Ny namotika sy nandrava ny efa nijoro ary nandroba harem-pirenena nanomboka ny 2009 koa efa mikofokofoka, ka hanohy ny lalana efa nizorany hatramin’izay dia ny famotehana. Samy te hanohy ny lalany e !

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT