Edito

Tohizo izay tsara, ataovy mangarahara!


  • Alatsinainy 28 Novambra 2016

Vita soa aman-tsara ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia. Ady hevitra lehibe no nisy teto saingy tsy hanova na inona na inona izany, fa ny manatsoaka lesona no azon’ny tsirairay hatao, na ny mpitondra na ny mpanohitra na ny vahoaka. Nisy ny lesoka ary nisy ihany koa ny zavatra tsara izay mendrika ny hotohizana

. Na inona na inona hadisoan’ny mpitondra dia nisy ny ezaka sy ny fanamby ka nahatontosana izany hatramin’ny farany, ary mendrika hiderana azy ireo izany. Azo lazaina ho nandresy ny fanjakana na dia maro aza ny tsy fangaraharana izay tokony hanompanana ny ady hevitra sy hitakiana ny rariny aoriana. Araka izany, tsy tokony hifaly na hirehareha be fahatany izy ireo fa kosa hamoaka ny marina rehetra sy hanaporofo amin’ny antsipiriany ny tena tombotsoam-bahoaka tamin’iny fihaonana iny. Lesona ho an’ny mpanohitra ihany koa anefa ireny ary tokony hametraka fanamby izy ireo fa afaka mahavita zavatra tsara kokoa noho ny vitan’ny mpitondra, fa tsy lany andro mivazavaza etsy sy eroa ka mba ny asa no hitsaran’ny besinimaro azy ireo manomboka izao. Nitondra fiovana teto amintsika ny fisian’iny fivoriana iraisam-pirenena iny na dia hiviny kely aza ny an’ny vahoaka, indrindra fa teto Antananarivo. Ny hirariana dia ny hitohizan’ny ezaka sy hisian’ny fiaraha-mientana eo amin’ny mpitantana ny tanàna sy ny fitondrana foibe, ka tsy ho fandraisan’andraikitra vonjy tavanandro araka ny fijerin’ny rehetra no natao fa mba hitohy hatrany. Zava-poana rahateo ny dingana efa vita raha toa hihemotra sy hiverina amin’ny nisy teo aloha toy ny fahalotoan’ny tanàna sy fikorontanana isan-karazany. Fanamafisana sy fanohizana izay tsara ary fanarenana ny lesoka no tokony hatao mba tsy ho voaporofo hoe haingo ambony tsikoko no natao teto!

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT