Tohizana an-jambany!

Tohizana an-jambany ihany izany ity fitantanana ny fiainam-pirenena ity,


  • Alakamisy 20 Martsa 2025

rehefa jerena ny fihetsika politika na «comportement politique» an’ireo mpitondra

eto amin’ity firenena ity! An-taonany maro, 5 taona mahery teo ho eo, no tsy mety tafapetraka ny tadin-dokanga teo amin’ireo mponina sy ny rafitra natao hanatontosa ny tetikasan’ity fitondràna ity. Na ny efa tranainy tahaka ny Tanamasoandro izany na ity vaovao mampitomany ny mponina eny Ivato ity dia ny tetikasa «Lac Iarivo». Ny sekreteram-panjakàna tomponandraikitra moa manenjana fa tsy maintsy tontosaina fotsiny izao rehefa tetikasa napetraka. Io koa ny tetikasa Base Toliara. Tetikasa any atsimon’ny nosy fa tomponandraikitra misahana an’Analamanga no manizingizina fa mahita izany ho tsara ho an’ny vahoaka. Lojika tokoa moa ve izany? Iaraha-mahita io ny fanatontosan’ity fitondràna ity ny heverina ho vinany rehetra. Niaraha-nahita ny tsy fahafenoan’ny fenitra ireo nampanantenaina ho manara-penitra. Tao ny hopitaly, ny biraom-panjakàna, ny sekolim-panjakàna samihafa, ny kianjam-panatanjahantena sy ny maro samihafa. Tao ny nirodana am-pitoerana. Tao ny manara-pofona. Tao ny vakoka tratry ny fanolanana faobe, hoy ny mpahaitantara Hemerson Andrianetrazafy izay, avy eo tsy mety mahazo fankatoavana tahaka ny Kianja Barea Mahamasina. Ny Rovan’Antananarivo novaina fotsiny izao ho Rovan’i Madagasikara no sady nasiana kolontsaina tsy mifandray amin’ny tantarany akory dia ny Colisée izany kanefa dia efa nahavelom-bolo ireo mpikaroka maro hoe tsy ho ela intsony izany vakoka izany dia ho lasa vakoka iraisampirenena reharehan’ny firenena. Tao anatin’ny fanaovana izany rehetra izany, 6 taona mahery aty aoriana, faran’ny mahantra eto ambonin’ny tany ilay firenena. Mazava fa tsy nahomby ny fomba fiasa tao anatin’izay fotoana naharitra izay saingy io tohizana an-jambany io ihany. Tohizana an-jambany hatrany!
J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT