Tsy mora izany hoe mampihatra ny demokrasia izany, indrindra fa ho an’ny tany an-dalam-pandrosoana tahaka an’i Madagasikara, tsy vitan’ny resabe sy ny toky omena ary ny fampanantenana isaky ny propagandy ny fampiharana azy io araka ny tokony ho izy. Ary ny tena sarotra aza dia toa samy manana ny famaritany ny demokrasia ny tsirairay avy, hany ka manahirana ihany ny fandrindrana izany rehetra izany matetika eo anivon’ny fiarahamonina. Marihina anefa fa tsy fomba amam-panao nolovaina tamin’ny ray aman-dreny ny demokrasia tena izy mandamina ny fiarahamonina fa toetra sy azo ambara hoe toe-po mihitsy.
Tsy rehefa hoe mipetraka avokoa ny rafitra demokratika ao amina firenena iray dia hilamina sy handry fehizay ary handroso be io firenena io. Fitaovana fotsiny ireny, fa ny olombelona, ny olompirenena tsirairay avy, indrindra fa ny mpitondra fanjakana ny any amin’ny sehatr’asa isan-karazany no tomponandraikitra amin’ny fampandehanana azy. Miteraka ady hevitra be foana eto Madagasikara sy aty amin’ny kaontinanta afrikanina amin’ny ankapobeny ny fisian’ny mpanara-maso fotsy hoditra amin’ny fifidianana, ary ny fidiran’izy ireny amin’ny raharahan-tokantranon’ny firenena mahaleotena sy manana ny fiandrianany eo amin’ny fikambanana iraisam-pirenena maro samihafa. Ho antsika manokana izao dia malaza eto mihitsy ny SADC. Dia azo ambara fa miankin-doha amin’ny ampahany betsaka amin’ireo famatsiam-bola avy any ivelany ny firenena an-dalam-pandrosoana, mampanjana-bola eto ny vahiny, ka tsy maintsy manara-maso akaiky ny zava-misy rehetra eto, fa tsy hanary tampotampoka eo ny volany. Manarak’izay dia nanova zavatra maro tamin’ny fifandraisana iraisam-pirenena ny fanatontoloana, hany ka lasa karazana tanàna be iray izao tontolo izao ka mifampiankina avokoa ny olona sy ny zavatra ao aminy.
Tsy vahaolana amin’ny krizy ny hambom-po diso toerana sy ny fitiavan-tanindrazana diso fipetraka. Tsy hisy zavatra handeha eto raha toa ka manangan’ady amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara. Ekena fa mety efa mahita mpamatsy vola any ambadimbadika any ny FAT, saingy sarotra ihany ny hatoky mpanambola mahasahy miara-miasa amin’ny mpanongam-panjakana sy olom-boasazy izany, ary tena mazava be ny resaka fa tombontsoa mihoa-pampana lavitra noho ny karohan’ireo vahiny mpiara-miasa mahazatra no karohan’ireo manaiky manome vola an-jatony tapitrisa dolara ny FAT. Tsy hoe rehefa vita haingana akory ny fifidianana dia hilamina ny zava-drehetra. Iaraha-mahita izao fa raikitra indray ny savorovoro ao Cote d’Ivoire, satria tsy niorim-paka tsara ilay fampihavanam-pirenena, ary mbola maro ireo mpanao politika tia tena. Dia sanatria ve hijabaka amin’io lalana io koa ny Malagasy fa tsy hahay hifamela sy hihavana ary hifanaraka amin’ny rafitra mety aminy sy manaraka ny vanim-potoana iainana amin’izao fotoana. Tsy vitan’ny fombafomba ny fanarenana ny firenena fa mitaky toe-tsaina tena vonona ny hiara-miasa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.