Edito

Toe-tsaina sy fomba fiasa


  • Zoma 04 Desambra 2015

Mety santatra fotsiny ny fihaonana teo amin’ny filoham-pirenena sy ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra teny Iavoloha omaly fa ny manetsa be mbola ho avy.

 


 Na ahoana na ahoana firehana politika sy fomba fijery dia tsy maintsy ny fifanomezan-tanana ihany no hahafahana manavotra an’Antananarivo Renivohitra. Efa tena lalim-paka tokoa mantsy ny gaboraraka sy ny loto eto.Goavam-be ny fanabeazana asy fanentanana ny olom-pirenena monina eto an-drenivohitra mba tena ho tompon’andraikitra kokoa. Misimisy ihany ny fanofanana tokony hatao amin’ireo pitantana isan’ambaratongany toy ny eny amin’ny kartie, fokontany ny boriborintany isanisany.Vita io rehefa atao fa izany hoe mila fahamatorana ary mila mazava tsara ny zavatra atao, ny fomba fiasa hanatrarana ny tanjona ary ampy ny hoenti-manana, madio sy mangarahara ihany koa ny fitantanana.Mavitrika ho azy ny vahoaka rehefa mahatsapa fa miova ny manodidina azy ary miova miha tsara ny fiainany. Efa tara 10 taona amin’ny resaka fampandrosoana i Madagasikara, ka mila ezaka goavana raha te hanana fiainana tsaratsara kokoa, tsy ny fomba fiasa ihany no miova fa ny toe-tsaina ihany koa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT