Hotanterahana anio sy rahampitso eny amin'ny CCI Ivato ny fihaonambem-pirenena momba ny fitantanan-draharaham-panjakana.
Hetsika iray goavana karakarain'ny fivondronan'ireo mpiasam-panjakana ambony izy io. Fotoana hahafahana miady hevitra ny amin'ny zava-misy ao anatin'izany fitantanana ny raharaham-panjakana izany, ary handrosoana vahaolana ihany koa mba hanatsarana azy. Mahatsapa fa misy ny tsy mety, matoa mikarakara fihaonambe tahaka izao mba hakan-kevitra ny amin'ny fanatsarana tsy maintsy atao, ireo mpiasam-panjakana ambony eto amintsika. Mampimenomenona sy mampitaraina ny maro tokoa aloha ny fitarazohan'ny fikarakarana taratasy amin'ny biraom-panjakana. Efa maro be ny zavatra tsy maintsy atao, mivezivezy etsy sy eroa, kanefa dia mbola ela be vao vita ny taratasy. Sonia iray mety roa herinandro vao vita, misy aza ireo mitaraina fa manjavona tampoka ny dosien'izy ireo, hany ka tsy maintsy mamerina manao vaovao indray.
Fomba fiasa efa tamin'ny 20 taona lasa, no mbola ampiharina any amin'ny ministera sy sampandraharaham-panjakana maro, ka tsy mahagaga raha mitarazoka ny asa. Ny mpiasa rahateo, maro no tsy mahafehy ny fivoaran'ny teknolojia, noho ny tsy fahampian'ny fitaovana sy ny tsy fisian'ny fanofanana. Fa mialoha izany rehetra izany aloha dia ny fomba fisainana sy fomba fijery mihitsy no mila ahitsy sy ovaina, eo amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny tontolon'ny asam-panjakana amin'ny ankapobeny, fa tena be loatra ny gaboraraka. Tsy hisy fanatsarana ho vita izany na dia mahazo vola amina miliara aza, rehefa ny toe-tsaina no tsy vonona amin'ny fanatsarana sy ny fanavaozana. Sampandraharaham-panjakana avokoa no lohalaharana amin'ny fanaovana kolikoly eto Madagasikara, ary manao daholo na ny lehibe na ny mpiasa madinika. Koa dia ho hita eo indray ny hiseho eny Ivato eny, raha mba tena fivoriana hanatsara zavatra tokoa, na fandanian'andro sy volam-bahoaka fotsiny ...indray !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.