Edito

Todiho ny lasa, banjino ny ho avy !


  • Sabotsy 24 Desambra 2016

Anatin’ny fety tanteraka isika amin’izao fotoana izao ary samy manana ny fomba hankalazany azy ny isan-tokantrano sy ny isam-pianakaviana.

Ao no efa ela niomanana ary manao fandaniana be mihitsy, ao ny antonony ary ao ny tsy mba nieritreritra izany mihitsy noho ny hoenti-manana. Ny zava-dehibe dia ny fahaizan’ny rehetra mankafy sy miara-mifaly amin’izay eo am-pelatanana fa tsy sanatria andeha hisavi-tsaranga sy haka aretin-tsaina, ka  hitsiriritra ny fiainan’ny hafa. Ilaina kosa anefa ny mametraka tanjona, ka hiezaka hihoitra hatrany mba ho tody amin’ny tsaratsara kokoa aoriana. Mifarana ihany koa ny taona ary tokony ho hain’ny tsirairay ny maka lesona hoe inona no tsy nety sy ny lesoka tamin’ity, ka mila hovaina sy hialana ary harenina amin’ny ho avy. Miankina amin’ny fahaizan’ny tsirairay manao tamberina amin’ny lasa no hahafahana manana hery vao hiatrehana ny ho avy. Ny sokajin’olona rehetra no mila manao izany, ka na nisy aza ny mety ho fahombiazana nandritra izay fotoana nifamadibadika izay dia tsy tokony hiononana fotsiny eo, fa ilaina hatrany ny mametraka tanjona vaovao. Ilaina masahana mandrakariva ny hoe tsy maintsy tratra ny fanamby vaovao ary arahina asa fa tsy kobaka am-bava na sanatria lasa manao ariary zato am-pandriana fotsiny. Rehefa mahay manatanteraka ny fanambiny ny isam-batan’olona dia mivoatra hatrany, ary ho tanteraka ilay hiram-pirenentsika hoe hiadana sy ho finaritra !

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT