Edito

Todian’ny natao!


  • Alatsinainy 30 Septambra 2019

Manao toy ny mpitari-bato vilam-bava, ka hafa ny tondroin’ny molotra, ary hafa ny ataon’ny tànana, hoy ilay fomba fitenintsika.

 

 

Mendrika ampiana ny indostria Malagasy, hoy ny filoha nitsidika ny orinasa mpamokatra fiara Malagasy tany Fianarantsoa. Hampitomboina ny famokarana mba hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ary dia nizara fitaovana sy masomboly tamina ampahana tantsaha tany an-toerana. Tsara sy mendrika ilay fihetsika, ary tokony hotohizana. Ny mampanahy anefa, dia fihetsika ivelany sy toa manao mpitari-bato vilam-bava ihany, raha jerena ny tena zava-misy sy ny fihetsika ankampobeny hatramin’izay. Ny fiara novidiany mantsy dia fiara raitra avy any ivelany, miteti-bidy hatrany amin’ny 4,4 miliara ariary. Ny zavatra nataony, dia nanafatra vary mora an-jato taoniny, izay namono antoka tanteraka ny tantsaha. Akaiky moa ny propagandy, ka tsy atao mahagaga raha mitohy indray ny kimoramora. Hampitombo ny famokarana kanefa ny tanimbary aza hototofana. Aiza ho aiza ilay nambara tany Alaotra fa hanome tany 10ha avy ho an’ny tanora tsy an’asa? Ny fanaratsiana sy famendrofendroana nentina nanonganam-panjakana tany amin’ny 10 taona lasa no haverina ankehitriny. Nolazaina fa fady ary mifanohitra amin’ny soatoavina Malagasy ny famarotana tany amin’ny vahiny, eny fa na dia ny mampanofa fotsiny aza. Folo volana lasa izay no nanambara ofisialy tamin’ny propagandy fa hivarotra tany. Tsy sanatria vao nikatona lohamalemy avokoa ny rehetra tamin’ireny ka tsy hahatsiaro sy hampahatsiahy ny lasa. Io fa lasa gidragidra ny raharaha fanotorana tany etsy andrefana kely an’Antananarivo. Manomboka fatoran’ny tantara sy todian’ny natao ve?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT