Edito

Toamasina Nanafika indray ny “Bande des Quatre”


  • Alatsinainy 21 Jolay 2014

Taorian’ny fanafihana ny tranombarotra sinoa tao Bazary be sy ny an’ny vadin’i tompokolahy Dr Laivao tao Ambohijafy atsimo

dia fivarotana roa indray no lasibatr’ireto “bande des quatres” tao anatin’ny andro iray ny zoma teo. Ny antoandron’ny zoma teo ny voalohany, tranombarotra “Botika Orange” Tanambao V no notafihan’ireo jiolahy mpitam-basy PA mandeha andiany efatra ireto. Tsy fantatra mazava ny vola azon’izy ireo, fa angom-baovao no nahafantarana fa am-polony tapitrisa ariary no lasa tamin’izany satria manao “orange money” ankoatra ny fivarotany finday sy fahana ity “Botika Orange” Tanambao V ity. Ny harivan’ny zoma io ihany dia trano fivarotana iray tao Salazamay atsimo amin’ny sampanan-dalana mihazo ny lycee Jacques Rabemananjara iny indray no lasibatr’ireto jiolahy manao andiany 4 ireto. Tsy mbola fantatra ihany koa ny vola lasan’izy ireo tamin’izany fa ny fanazavana azo dia ny vola maty ny tontolo ny andro no lasan’ireto jiolahy ireto. Ho an’ny talen’ny filaminana anatiny ao Toamasina Jly LIE dia “tsy maintsy hifampitady aminay ireo jiolahy ireo, tsy maintsy ho tratranay ireo na ho ela na ho haingana”. Ny fametrahana ny filaminam-bahoaka sy ny ady amin’ny kolikoly ary ny fametrahana ny fitsipi-pifehezana no tanjon’ny polisy izao…

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT