Edito

To teny i Marc Ravalomanana ary tan-dalŕna ny TIM


  • Alarobia 11 Aogositra 2010

Vaovao lehibe nandrasan’ny maro izay mety fanapahan-kevitra lehibe horaisin’ny antoko Tiako i Madagasikara, taorian’ny Filankevi-pirenena nomaniny hatao tao amin’ny Carlton Anosy ny talata 10 aogositra 2010.

Tsy raikitra tamin’ny ora farany anefa io araka ny torohevitry ny filoha mpanorina ny antoko, dia i Marc Ravalomanana. Andaniny dia politika avo lenta izy ity, ary taratra tamin’io fanapahan-kevitra io ny maha olona mahatsinjo lavitra an’ity filoham-pirenena teo aloha ity. Fa ankilany dia nivoitra tao anatin’izao koa fa to teny Atoa Marc Ravalomanana. Na izany aza tsy ilaozan’izay mety ho nentanim-po koa ka mahatsiaro ho diso fanantenana. Ny tsy azo lavina, raha raikitra teo iny Filankevi-pirenen’ny antoko iny dia azo antoka fa dia handray fepetra miendrika sazy mikasika an-dRaharinaivo Andrianatoandro sy ny mpiara-dia aminy. Izay ve anefa no mahamaika amin’izao toe-draharaha efa misafotofoto eto amin’ny firenena izao ? Inoana fa tsinjon’ny filoha Ravalomanana izay, ka nijoro amin’ny maha Raiamandreny izy, nanolo-kevitra ny tsy hanatanterahana azy io aloha. Hevitra telo loha lehibe no azo tsoahina amin’izany. Voalohany, mbola voaporofo teto indray ny maha mpitarika sy olona henoin-teny an’i Marc Ravalomanana. Ary diso ny fiheveran’ny sasany fa Raharinaivo no lehiben’ny TIM.

Faharoa, mazava amin’izao koa fa ny ankolafy Ravalomanana amin’ny ankapobeny na ny antoko Tiako I Madagasikara dia manara-dalàna ary manaja rafitra. Ary izay no anisan’ny tanjak’ity antoko ity, na eo aza ny fisedrana mavaivay lalovany sy ny fampihorohoroana mivantana na ankolaka mihatra aminy sy ny mpikambana ao aminy. Niteraka fihetseham-po samihafa, eny mety tsy nampitovy hevitra ny fanafoanana ilay Filankevi-pirenena fa na izany aza ny maro dia nidera sy nankasitraka ny fanapahan-kevitra. Ny lojikan’izay dia mazava eto koa fa manaja ny fahasamihafana ara-kevitra ary mandray izany ho harena ny ankolafy Ravalomanana, ary izay no tsy mbola nisian’ny fitsipahana na fanilihana ofisialy an-dRaharinaivo tsy ho eo anivon’ny antoko intsony. Manaraka izay, io fanapahan-kevitra io dia mampisinda ny ahiahy ny amin’ny hoe izay no mahazaka na koa mahatarika ny TIM. Ao anatina antoko lehibe toy itony na samy mpikambana ao aza dia tsy mahavita mandresy lahatra ny namany nefa Raharinaivo, ohatra, afaka nanao izany. Nohajain’ny mpikambana ny heviny, izay tsy midika velively fa mankato izany ireo mpiray antoko aminy. Fanta-dRaharinaivo tsara fa manala tena tsy ho mpikambana ao amin’ny TIM izy raha miana-kendry samirery hamatotra ny antoko amin’ny dinika na fifanarahana ataony ivelan’ny antoko. Ny fanafoanana ity filankevi-pirenena tokony ho natao omaly ity izany dia karazana arofanina na koa vonjy ho azy, satria tsy misy afaka miantoka velively fa izay fifanarahana hivoaka mandritra ny diniky ny mpanao politika eny amin’ny Centre de Conférénces International Ivato dia hankatoavin’ireo antoko lehibe toy ny TIM.

Fahatelo, iny fanapahan-kevitra iny koa dia valin-kafatra ho an’ireo efa nipi-kelika sy nanodinkodina ny saim-bahoaka tamin’ny haino aman-jery nilaza fa dia nipatitaka ka vita hatreo ny Tiako i Madagasikara. Ary ny farany nefa tsy kely, dia lasa vatsin-dalana lehibe ho an’i Marc Ravalomanana hiatrika ny fivorian’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC hatao amin’ny herinandro ho avy io ity fanapahan-kevitra ity. Zava-dehibe ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena koa ny ahatsapany fa olona to teny i Marc Ravalomanana ary tan-dalàna ny mpikambana ao amin’ny antoko tarihiny. Dia ho gina indray ny mpanenjika azy !

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT