Edito

Tian-kano tsy tian-kano !


  • Sabotsy 22 Aprily 2017

Tany amin’ny tsy mivonto no nanaintaina, hoy fitenenana nanoloana ny fanovana minisitra vitsivitsy nataon’ny fanjakana HVM.

Dia tena tany amin’ny tsy nampoizin’ny rehetra tokoa no nisehoan’ny fanoloana satria ireo minisitra noheverin’ny maro fa tsy tafapetraka ela amin’ny toerany noho ny laza ratsy sy ny afera maizina, dia afa-doza sy mbola milamina ary miadam-pinaritra eo ambonin’ny sezany. Mitohy hatrany ny tian-kano sy ny tsy tian-kano hataon’ny fanjakana HVM, ary mibahan-toerana ny fanaovana be marenina. Valy bontana sy fihantsiana ady no natao manoloana ny kiakian’ny maro amin’ny tokony hanasaziana maintimolalin’ny kolikoly ao anaty governemanta, ka toy ny miteny amin’ny vahoaka hoe ataovy izay hataonareo fa ny kolikoly sy ny afera maizina dia tsy maintsy tohizanay. Tanteraka tokoa ny hoe “henoy izany ry hazon-damosiko” amin’ny fihetsika ataon’ny fanjakana, ka na iza hiteny sy hanakiana dia ho rera-poana eo ! Efa ra mikoriana ao anatin’ny mpitondra HVM ny hoe azy ny vola sy ny fahefana, ka tsy hisy hahasakana azy amin’izay tiany hatao. Efa maro ihany no nilaza azy ho mafy teto saingy misy fetrany ny zava-drehetra na ho ela na ho haingana. Mbola ho avy ny andro hahataperan’ny fanjakan-jiolahy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT