Edito

Tia tena loatra


  • Zoma 08 Aprily 2016

Tsy misy ny vahaolana matotra hatreto aloha fa dia mifampitady eraky ny tanàna ny samy mpanao politika.


 Tsy hoe mifanao totohondry fa samy miezaka mandahatra ny heviny sy miaro izay arovany.Manomboka hita soritra ny tsy maintsy hanovana ny governemanta, adihevitra farany ao anatin’io ny fanoloana ny praiminisitra. Teknika fanao maneran-tany ilay fametraham-pialana ataona minisitra maromaro na izy rehetra, dia miongotra ho azy ny praiminisitra. Malalaka avy eo ny filohan’ny repoblika hanendry praiminisitra vaovao, dia kabary ny ambiny, lazaina fa mandalo fotoan-tsarotra ny firenena, ka misy fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisina ho amin’ny tombontsoan’ny daholo be. Efa tsy dia mahagaga intsony iny fa ny mbola mahavalalanina ny rehetra hatramin’izao dia ny hoe :tsy toetran’ny mpanao politika sy manampahefana Malagasy mihitsy ve izany ilay manetri-tena sy mahalaa tsy tiana e.Efa hita izao fa fiarahana tsy mety intsony dia mbola pasohana lazaina fa manga ny lanitra. Ny asa efa hita fa tsy misy mandeha amin’izay laoniny, lalana 200 metatra ve no in-telo averina amboarina ao anatin’ny enim-bolana, izany ve dia mba fomba fiasa matotra. Ny kere any Atsimo tsy misy miraharaha, ny asan-jiolahy mirongatra, vono olona etsy, fitsaram-bahoaka eroa, ny talen’ny Bianco aza sahin’ny olona ny misandoka azy. Efa tena tsy milamina kanefa mbola samy miseho milay ihany. Tena tia tena loatra kosa e !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT