Edito

Tia Tanindrazana Mampita vaovao sady manabe ny olom-pirenena


  • Alarobia 03 Septambra 2014

Miditra amin’ny dingana farany amin’ny fankalazana ny faha 5 taona nisiany ny gazety Tia Tanindrazana ka ny fisarihana ilay loka lehibe fiara vaovao no hamehezana ny lalao faha 5 taona

Nandritra ireo fisarihana 4 voalohany dia niezaka hatrany nanampy ny olona amin’ny fiainany andavanandro ny Tia Tanindrazana, tarafina tamin’ireo loka nozaraina izany. Teo, ohatra, ny fitaovana fampiasa ao an-dakozia sy ny fitaovam-pianarana. Miezaka hatrany ny gazety ny hanolotra zavatra mitoetra sy tena ilain’ny olona. Ankoatra ilay fiara loka goavana dia mbola hisy ihany koa ny vatsim-pianarana ho an’izay tsara vintana amin’ny fisarihana amin’ity volana septambra ity. Tsy vitan’ny hoe lalao hahazoana loka fotsiny ny lalao « Tia Tanindrazana 5 taona » fa natao mba hampitomboana ny fahalalan’ny tsirairay, ary efa narafitra ho amin’izany mihitsy ny fanontaniana rehetra mivoaka an-gazety isan’andro. Azo atao tsara ny milalao sady mianatra, ny gazety rahateo tsy hoe hampita vaovao sy hampiala voly fotsiny fa manabe sy mampianatra ny olom-pirenena ihany koa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT