Edito

Tia tanindrazana ?


  • Alatsinainy 21 Martsa 2011


Mizara roa amin’ny ankapobeny ny fomba fakana fahefana any amin’ireo tany voazanaka teo aloha izay aty Afrika ny ankamaroany, tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara, dia ny fidinana an-dalambe sy ny fifidianana. Ny fifidianana moa dia fandraisan’anjaran’ny vahoaka mivantana hisafidy ireo olona hitarika sy hitantana azy tahaka ny hoe filoham-pokontany, Ben’ny tanàna, Depiote, Senatera ary Filoham-pirenena. Ny fidinana an-dalambe kosa dia io ilay ambara hoe hetsi-bahoaka hanoherana sy handrodanana ny jadona. Fomba fiteny malaza izany amin’ny firenena maro, ary matetika dia voafidy ho filoha hitarika ilay firenena indray ilay nitarika ny tolona. Eto Madagasikara manokana dia ambara tato anatin’ny telo taona latsaka kely izao fa i Andry Nirina Rajoelina no mpitari-tolona nanafaka ny Malagasy tamin’ny fitondrana jadon’i Marc Ravalomanana.

Dia navoaka daholo izao voambolana rehetra izao nanindraindrana an’ilay “zandry kely” izay ambara fa tena tia tanindrazana ary hanavotra ny Malagasy, tsy hivarotra ny tanindrazana ary hahay hifehy ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany mba tena ho tombontsoan’ny Malagasy fa tsy hanjakazakan’ny vahiny intsony. Natanjaka ny fitondrana Ravalomanana ary tsy noeritreretina mihitsy ny hirodanany tao anatin’ny volana vitsivitsy. Tanteraka anefa izany araka ny fahitan’ny mpandinika azy noho ny antony maro samihafa, tahaka ny hoe mety efa izay mihitsy ny lahatr’Andriamanitra sy ny hoe efa voaomana tsara ny fandrodanana ilay fanjakana ary nanaraka drafitra maty paika sy dingana isan-karazany.

Tsy diso mihitsy ny filazana fa i Andry Rajoelina no nitarika ny tolona, fa ny mety adinon’ny sasany fotsiny dia ny hoe : nanampy azy tamin’ny zava-drehetra nataony ny vahiny, misy Frantsay, sy ireo mpanefoefo Karana teto amintsika, fanampiana ara-bola sy ara-kevitra izy io. Tsy misy afaka mandà izany satria zavatra hita nivandravandra izany ary mbola hita taratra amin’izao fotoana ihany koa aza. Ny manahirana amin’ity raharaha ity dia tsy hoe nanampy fotsiny izy ireo fa nitady tambiny sy tombony, ka tena hita mihitsy izao fa mihazakazaka miditra eto amintsika ny Frantsay amin’ny sehatra isan-karazany any amin’ny farany madinika ka hatrany amin’ny farany vaventy. Ny Karàna moa dia miasa mangiana tahaka ny fanaony hatramin’izay ihany, ary mety ny ataony amin’izao fotoana, tsy voatohintohina tahaka ny tamin’ny andron-dRavalomanana ny bizina. Koa mipetraka ihany eto ny fanontaniana manao hoe : moa va tena  tia tanindrazana marina  ireo mpitondra ankehitriny, tarihin’i Andry Rajoelina, sa iraka fotsiny hikarakara sy hanomana ny fiverenan’ny mpanjanaka eto ? Fanovana amin’ny ahoana marina no tiana hapetraka eto ? Fanovana hanatsara ny fiainan’ny Malagasy ve sa fanovana mba hanamafisana ny rafi-pitsetsefana sy ny rafi-pampahantrana novolavolain’ny vahiny ?

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT