Edito

Tia fisehosehoana …


  • Alatsinainy 28 Jona 2010


Mba nitotorebika sy nifaly kely tao anatin’ny 48 ora ny Malagasy ary niezaka ny nanadino ny vesatry ny krizy sy ny takaitran’ny fifandirana politika sy fifanenjehana ary ny hazalambo tao anatin’izay 15 volana izay. Dia nifety tokoa moa izay afa nanao izany, ny lehibe eto amin’ny tanàna rahateo manana traikefa manokana amin’ny fikarakarana fety ka tena nanao izay tratry ny heriny rehetra mba hamalifaliana ny olona. Nanjelatra sy namirapiratra ny tetsy amin’ny farihin’Anosy tamin’ny alalan’ny afomanga sy ny «show laser», sambany mba nisy teto amintsika ary nanaitra izay nanatri-maso teny an-toerana. Bal mandra-maraina isaky ny boriborintany sy tany amin’ireo distrika ary tanàn-dehibe sasantsasany manerana ny Nosy. Nirarakompana ny fisotroana mafanafana ary nirefotra teny an-dalambe an-kalalahana ihany ny tsipoapoaka, na dia nodradradradraina aza fa hoe voararan’ny lalàna sy tsy azo atao. Atao ahoana moa fa misy ny lalàna saingy ny fampiharana azy no tsy ampy. Amin’ny maha mpikarakara lanonana na MC (Master of Ceremony) azy fahiny, tokoa angamba no nahatonga an’i Andry Rajoelina nanao ireny karazana fihetsiketsehana sy fanovana maro samihafa ireny. Anisan’izany, ohatra, ny fisafoana ny andian-tafika tety ivelany fa tsy tao anatin’ny kianjaben’i Mahamasina. Nahatsikaritra koa ny rehetra fa hafa kely, ary niavaka tamin’ireo filoha rehetra hatrizay ny fanamiana sy ny akanjon’ny filohan’ny HAT nandritra ny kabariny sy ny lanonana teny Iavoloha.

Toa mitovitovy amin’ny fanaon’ny Karana sy ny Sinoa ilay izy, ary miloko mainty tanteraka. Sambany ihany koa hatramin’izay nisian’ny fetin’ny fahaleovantena no nisy filoham-panjakana nisalotra ilay mariboninahitra ambony indrindra eto amin’ny tany sy ny fanjakana teo am-panatanterahana ny lahateniny. Ireo mpanara-damaody dia tsy nisalasala nilaza hoe : «mba jejo koa anie ity filohantsika ity e !». Nisy kosa anefa ireo tohina ihany nahita an’i Andry Rajoelina, satria amin’izy ireo dia tia fisehosehoana loatra ary te hanava-tena lava ity filohan’ny tetezamita tanora vao herotrerony ity. Tsy tokony hanaitra anefa izany rehetra izany satria olona niasa an-taonany maro teo anivon’ny serasera sy ny dokambarotra i Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny ka mahay mikolokolo ny endrika ivelany ary mahita ny paikady hanairana ny hafa hatrany. Ny tena mampanahy ny maro anefa dia ny hoe : sao lahy variana loatra amin’ny fisehosehoana na sanatriavin’ny vava haladin’ny lela ka ho lasa fisehosehoana ety ivelany fotsiny ny fitantanana ny firenena fa ny ao anatiny mikorontana ambony ambany. Ho hita eo ny tohiny satria vita izay ny fety aman-danonana, ary hifantoka amin’ny fiainana andavanandro amin’izay ny rehetra. Ahoana ny amin’ireo gadra politika ? Ahoana ny amin’ireo pasitera sy mpanao gazety nampidirina am-ponja ? Vonona marina ny hikaroka vahaolana ve ny fitondrana tarihin’i Andry Rajoelina ? Vonona ny hihavana marina ve izy ireo ? Vonona ny hifanome tanana amin’ny rehetra ve ary vonona hampisongadina marina ny tena hambom-pom-pirenena fa tsy haka hevitra lava amin’ny reny malala ve ?

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT