Edito

Tia fihetsiketsehana


  • Alarobia 13 Mey 2020

Fahatsiarovana ny antsoina hoe tolom-panafahana 1972 moa ity anio ity. Azo lazaina ho niatomboka tamin’izany fotoana izany ny noheverina fa tena

 

 

 

hetsik’ireo tia tanindrazana marina izay taty aoriana moa dia mbola nipetrahan’ny ady hevitra indray fa nisy dian-tanan’ny frantsay toy izay mbola mampiteraka adihevitra ny momban’ny tolon’ny 29 martsa 1947 ihany koa. Fihetsiketsehana no nitranga tamin’ireny fotoana ireny. Izay kosa aloha dia tsy azo lavina. Tsikaritra tamin’izany no nankaty fa niha nihena hatrany izay fotoana nampirongatra fihetsiketseham-bahoaka teto amin’ny firenena izay. Nielanelana 25 taona ny tolon’ny 1947 sy 1972. 19 taona no elanelan’ny 1972 sy 1991. 11 taona sisa ny elanelana teo amin’ny 1991 sy 2002. 7 taona ny 2002 sy 2009. Ireo moa no tena nalaza amin’ilay antsoina hoe fihetsiketsehana nipoaka fa ny teny anelanelan’izay sy ny taoriany dia ireny niaraha-nahita ireny fa na nisy faniratsirana mpitondra toy ny filanjana vatapaty aza dia efa niova angamba ny stratejia sy ny rivo-panjanahana vaovao izay mbola te hangeja ny afrikanina hatramin’izao ka hafa indray ny paikady tadiavin’ny firenen-dehibe hangejana azy. Ho antsika malagasy manokana kosa dia tsikaritra fa mbola tsy mety tafala izay fitiavana fihetsiketsehana izay saingy raha fihetsiketsehana mitondra fanovana ho any amin’ny tsaratsara kokoa sy manan-tanjona ho soa tokoa toy ireny tolona nitranga rehetra ireny moa nefa maninona? Fihetsiketsehana tsy voafaritra mazava no tena tanjona hita aminy no mitranga ankehitriny ary na ahoana na ahoana aloha lazaina fa fandokafan’ny olona dia tsy misy afaka handiso foana hatreto fa samihafa ny ambaran’ny mpitondra sy ny ataony ary tsy maharesy lahatra hoe tena mifanaraka tokoa amin’izao ahamehana ara-pahasalamana izao. Averina indray! Sarotra ve ilay misarika ny olona tena tsy hivoaka ny tranony sy hitangorona na hifampikasoka sy hifamindra aretina? Ekena tokoa fa efa io ny fanafody saingy tsy mila miaro tena araka ny tokony ho izy intsony ve?

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT