Edito

Tezaina hanadino sy hanaiky


  • Talata 10 Mey 2022

Efa misosa ho azy toy ny rano mandeha ny vava tsy ambina ataon’ny Fanjakana ankehitriny. Tsy mba manana fanetren-tena, fa arakaraka ny efa tsy fahombiazana no vao mainka mampidingin-drambo ka asa na tena tsy mahay

na minia mitapy manova ny tantara. Lazaina fa ny sekoly rehetra 510 vita tao anatin’ny 62 taona nahazoana ny fahaleovantena dia nataony tao anatin’ny 3 taona, hono, ny 480. Manongo tena ny rehetra eo anatrehan’ireny ! Ity anefa no Fanjakana tsy manana fanetren-tena sy nahavita fampanantenana poak’aty betsaka indrindra hatry ny nahazoana fahaleovantena. Betsaka ny tantara ratsiny, ary tsy afaka ny hirehareha firy raha lanjaina ny zavatra miabo sy miiba nataony, ary ampitahaina amin’ny vitan’ireo mpitondra hafa, indrindra fa ilay naongany. Asa na tsy fahafezahana ny tantara na finiavana hamafa izany tanteraka mba tsy hananan’ny Malagasy tondro intsony. Maro ny lesoka sy tsy fahombiazana, saingy mahagaga toa voataiza hanaiky izany ny vahoaka. Na efa voahitsakitsaka hatrany an-tampon-doha aza toa manaiky lembenana. Toa efa voarefy hatramin’ny zavatra mety hataony sy ho vitany, hany ka manararaotra toy ny banga mihomehy alina ilay mpitondra amin’ny afera maloto, fanodinkodinana volam-panjakana, kolikoly,… Ny fampanantenana poakaty sy ny fivadibadian-dela manginy fotsiny, ary mbola hipatrapatraka mety ho avo folo heny amin’ny teo aloha izany. Ny Malagasy anefa mora manadino, hoy ilay Filoha efa nodimandry, ka na efa tsy manjary aza mbola ekeny ihany. Tsy mahatonga saina antsika ve ny hoe : afaka 70 taona vao hahatratra sy hitovy amin’i Rwanda amin’izao raha tsy misy ny fanovana goavana ? Mila manaraka ny raharaham-pirenena sy miverina amin’ny tantara isika ahafaha-mandinika sy mamakafaka hoe : iza marina no tena mpamotika firenena ary iza no mpanangana ?
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT