Edito

Tetika maloto no hianteherana


  • Sabotsy 03 Novambra 2018

Andro sisa isaina, dia tonga ny andro malaza! Andro hoentin’ny Malagasy maneho fa manana ny fahefany izy eto amin’ity tany sy ny fanjakana ity. Misy kandida telopolo mahery ireo, saingy efa hita taratra ihany ny hoe: iza no hamokatra sy hahazo vato?

 

 

Mandeha rahateo ny fifandresen-dahatra ary tsy misy hanaiky hilavo lefona izany ireo kandida hita taratra fa tena mahazaka olona. Ao ny efa mazava fa tena tian’ny vahoaka sy antenainy hanarina indray ny fiainany, tsy hamitaka amin’ny fampanofinofisana sy ny fampandriana adrisa satria tsy takona nafenina ny zavatra efa nataony ho an’ny Malagasy saingy nopotehin’ny mpandoro sy mpandroba. Io iaraha-mahita io ny mpamotika fa mba nilaza tena ho efa niova sy nihamatotra, hono, ka mahavita mividy olona mihitsy hanohana azy ao anatin’ity raharaha ity. Re feo aza fa efa mipetrapetraka hono ny kajy maloto amin’ny hoe hibatana ny fandresena fihodinana voalohany e! Kotrehina ny hoe 54 hatramin’ny 60% no tanjona ao anatin’ny teti-dratsy. Fomba maloto tahaka izany ve no tadiavina hamoronana fahefam-panjakana? Izany ve no hoe: hanarina firenena? Ekena dia ekena tokoa fa tsy hisy zavatra tonga lafatra izany amin’ny fikarakarana fifidianana, saingy ny ahiahy tsy hihavanana. Sao kosa mitetika ny hahita mangirana, ka hamadibadika ny safidim-bahoaka eo ary Sao ho zatra ny làlan-dririnina sy bontolo 9 taona lasa izay, fa tsy dondrona sy kentrina intsony ny vahoaka. Asa lahy na tena ny fitiavana araka ilay heviny tena izy no lehibe indrindra, na ny fitiavam-bola aman-karena diso tafahoatra, hany ka lasa tahaka ny bizina izy ity hoe: mampiasa vola tsy toko tsy forohana amin’ny fifidianana mba  hahazoana fahefana ka rehefa tonga eo mandroaka ny harena araka izay tratra! Tsaroana ny sora-baventin’ny vahoaka tany Maroantsetra izay hoe: “Avereno ny vidin’ny boaderozinay”. Ny any Soalala fongana ny vy, fa mba inona no nositrahan’ny vahoaka? Dia ho tapaka lalan-dra eo fa tsy adala ny Malagasy, ka hanaiky hanjakan’ny mpandroba sy mpandoro amin’ny taniny e!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT